kolon-tsaina

Jazz Club CGM/GZ : raikitra ny « Jazz Fiderana »

Isaky ny alahady faha-3 ao anatin’ny volana, manatanteraka ilay hetsika momba ny jazz ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy, Tohatohabaton’ Antaninarenina ry zareo ao amin’ny Jazz Club CGM/GZ. Ho an’ity volana marsa ity, ni­safidy ny Fiangonana FJKM Ambohipotsy ry zareo hanatontosana ny « Jazz Fidera­na ». Hira fiderana sy hiram-pivavahana, hanana « endrika » somary jazz […]

Hotohizana ny seho… : hiaka-tsehatra lehibe ny Quatuor Squad

Hanatanteraka ny fampanantenana nataony ny Qua­tuor Squad. 14 marsa 2023, nahasarika olona maro be ny fampisehoana nataon’izy efatra mirahalahy niaraka tamin’i Tohy Ramaroson (contrebass), tao amin’ny Institut français de Madagascar, etsy Analakely. Taorian’io : « ma­nome toky anareo izahay fa hanatanteraka seho any amin’ ny sehatra lehibebe kokoa », hoy ny Quatur Squad. […]

Sokaf’hehy : maka toerana ny Stand-up

Tontosa ny alarobia 15 marsa 2023, teny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely ny hetsika “Sokaf’hehy”. Ny vondrona Sandix no mikarakara ny hetsika miaraka amin’ny mpanao Stand-up. Eo ihany koa ny CGM, izay miara-misalahy amin’ny rehetra ho fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny fitaizana ny tanora. Tan­jon’ny mpikarakara ny hetsika, amin’ny ankapobeny […]