kolon-tsaina

Slam-Poésie : hiaka-tsehatra i Hichim

Tontosaina anio, eny amin’ny Madagascar Under­ground Antsahavola, ny he­tsika “The Blind date”, fampisehoana Slam-Poésie iarahana amin’i Hichim, tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny Slam-Poésie, taona 2022. Tanjona amin’ity fampisehoana ity ny fanomezana lanja manokana ny fitiavana. Hiaka-tsehatra indray i Hichim na Abdoul Anlim Abdillah, taorian’ny naha voahosotra ho tomponda­kan’i Madagasikara azy. Hiantsa […]

Esther R. Randriamamonjy: mivoaka ny boky « Fanamby II & III »

Nitombo iray indray ny boky mirakitra tantara noforonina. Namoaka ny « Fa­nam­by II & III » i Esther Rasoloarimalala Randria­mamonjy, mpikambana ma­hefa ao amin’ny Akademia Malagasy. Ao anatin’ny 200 pejy no namalian’ny mpanoratra ny fanontaniana : inona no niafaran’i Rindra sy i Hotiavina, mpandray anjara fototra ao amin’ny « Vainafo eo an-doha » ? Mirakitra ny […]

Gnoz Event : nivoaka ny andian-tantara «Vona»

Taona maromaro lasa izay no namoaka ny vokatra voalohany, « Misy tody » ny trano mpamokatra sarimihetsika Gnoz Event. Fantatra kosa indray izao fa namoaka andian-tantara mitondra ny lohateny « Vona » izy ireo, izay mandeha ao amin’ny « Novegasy » amin’izao fo­toana izao, ny alatsinainy hatramin’ny zoma, ary misy famerenana izay rehetra nan­deha nandritra ny […]

Heavy sy power: Metal Hizara ny mozikany ny tarika Zovy

Tontosa ny dingana voalohany hoan’ny tarika Zovy. Efa nivoaka ny rakikira, ary anatin’ny fampahafantarana amin’ny alalan’ny fiakarana an-tsehatra maromaro izy ireo. Hosantarina amin’ny asabotsy izao izany. Efa fotoana elaela no nampanantenaina ny rakikira voalohany. Tontosa izany, ka anatin’ ny fampahafantarana ny vokatra indrindra ny tarika Zovy. Hisy ny seho izay […]

Havàtsa-Upem : homarihina ny 21 febroary

Ny 21 febroary no tapaka maneran-tany fa ho Andro iraisam-pirenena ho an’ny te­nim-pirenena. Toy ny fanaony isan-taona, hanamarika iza­ny ny Havàtsa-Upem, amin’ny alalan’ny fiantsana tononkalo amin’ny teny malagasy isam-paritra. Hetsika hotontosaina eny amin’ny Oniversiten’An­ta­nanarivo, Amphi 10, Fa­ki­olten’ny teny aman-tsoratra sy siansa maha olona (FLSH), manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ravahin’ny […]