Andiany efatra izao no tontosa tamin’ny «Nosy Be jazz Festival», nohafohezina ho NBJF. Fantatra ny faran’ny herinandro lasa teo kosa fa hikisaka any Sainte Marie ny hetsika, ka hiofo ho “Nosy Boraha Jazz Festival” ny anarany. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika izay nataon’ny komity mpikarakara tarihin’i Niry Ravelojaona, ny faran’ […]
kolon-tsaina
Prix Paritana andiany fahafito: nampiofanina izay handray anjara amin’ny fifaninanana
Efa miroso tsikelikely amin’ny fanatanterahana ny fifaninanana « Prix Paritana » andiany fahafito ny mpikarakara. Tsapa ny ezaka ataon’ny mpikarakara amin’ny fampandrosoana ity sehatra ity. Nahazo ny fampiofanana sahaza azy ireo mpandray anjara amin’ny fifaninanana «Prix Paritana» andiany fahafito. Fampiofanana nampahafantarana azy ireo mahakasika ny fifaninanana, ny fanomanana sy fikarakarana […]
Fakafaka: «Tsy mbola afaka, tsy mbola mahaleo tena isika» !
Nazava be io tenin’i Dama (Tarika Mahaleo) io, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fampisehoana notontosain’izy ireo tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina. «Mbola manao tolom-pahafahana isika. Tsy mbola afaka sy tsy mbola mahaleo tena isika», hoy izy. Notohizany tamin’ny hoe : «Aoka tsy hiandrasana ny hafa ny hanavotra antsika […]
AFT : andiany faha-5 ny « Championnat de lecture »
Raikitra ! Hotanterahina ny 1 marsa ka hatramin’ny 11 marsa izao ny « Championnat de lecture » andiany faha-5, na ilay fifaninanana fahaiza-mamaky teny karakarain’ny Alliance Française Antananarivo. Ny 18 marsa kosa no hanatontosana ny famaranana. Hifarana ny 22 febroary izao kosa ny fisoratana anarana. Hizara telo ny sokajin-taonan’ny mpandray anjara : 9 ka […]
RFI Talent de rire 2022 : lasan’i Stephan Dipita ny amboara
Natolotra an’i Stephan Dipita, mpanao hatsikana Camerounais, ny amboara, vola 4 000 euros, natokana ho an’ny mpandresin’ny “Prix Talenbts du rire 2022” andiany fahavalo. Nandritra ny famaranana ny “Festival Abidjan Capitale du rire” tany Cote d’Ivoire, ny Alahady 12 febroary 2023 no nanatanterahina izany. Mitohy hatrany ny fanatanterahina ny vina apetraky […]





