kolon-tsaina

Madagaslam : miverina ny hetsika « Slam »

Hotanterahina ny asabotsy 7 janoary 2023 eny amin’ny «Institut Français de Mada­gascar» na IFM Analakely ny « Scène Slam » karakarain’ny fikambanana Madagaslam. Hetsika voalohany amin’ity taona 2023 ity ary santatry ny hetsika rehetra ho tanterahina ao anatin’ny taona. Hetsika natao hoan’ireo te haneho ny talentany sy ny fahaizany izy io. Misokatra […]

Mirado sy Reko Band: hisehatra eny amin’ny Alliance Française Andavamamba

Hotanterahina eny amin’ny “Alliance Fran­çaise Andavamamba” ny asabotsy 7 janoary 2023, amin’ny 2 ora tolakandro ny fampisehoana ataon’i Mirado sy ny Reko Band. Efa lany tanteraka ny tapakila fidirana. Tsinjo sahady ny ho fahombiazan’ny hetsika. Vonona ny mpanakanto, mpandray anjara, hanome ny tsara indrindra ho an’ny mpankafy marobe. “Seho mendrika […]

Fanarenana ny tontolo iainana: hisy ny fambolen-kazo ataon’ny mpankafy “Rock”

“Izay mahakolokolo manana ny soa”. Samy manana anjara amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ny rehetra. Aleo mba tsy hijanona resaka fotsiny fa amin’ny alalan’ny asa atao no hanentanana ny namana ao anatin’izany fikajiana ny tontolo iainana izany. Notanterahina teny amin’ny Giant-Stu­dio Isoraka Antana­narivo, omaly, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, […]

EGM –Conservatoire de musique: hiavaka ny hetsika ho an’ny mpankafy gitara

Hetsika lehibe eo amin’ ny tontolon’ny fitendrena gitara no karakarain’ny EGM-Conservatoire de mu­sique. «Masterclass Inter­national de Guitare» no anarana entin’ity hetsika ity. Handritra ny efatra andro no hanatanterahana azy, hanomboka ny asabotsy 7 janoary 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny alarobia 11 janoary 2023. Isaky ny karazany avy ny […]

Mbola adihevitra lehibe: very hasina noho ny ota fady nataon’ny tanora sy ny vehivavy ve ny kabary ?

Sehatra iray anisan’ny miroborobo fatratra ny kabary. Manamarina izany ny fitomboan’isan’ireo lazaina fa mpikabary. Fahiny, vitsy ihany ireo tafian-kaja sy voninahitra amin’io anaran’io. Saika ireo lehilahy anti-panahy sy to teny eo anivon’ny fiarahamonina avokoa izy ireny. Taona maromaro taty aoriana, nipoitra tsikelikely ny tanora sy ny vehivavy ambara fa mpikabary. […]