Tsy ilay fifaninanana na fitsapana ny hevitry ny mpihaino radio na mpijery televiziona akory ny tian-kolazaina eto fa ireo izay hisongadina amin’ity taona vaovao 2023 ity. Iza ireo mpanakanto hahaforona zava-baovao ka hahasarika olona. Tsy voatery ho eo amin’ny tontolon’ny hira irery ihany koa fa rehefa mety ho zavakanto, tokony […]
kolon-tsaina
Mifanimbazimba ny samy Malagasy: niteraka resabe ny zava-niseho teny Ambohimanga
Vao niatomboka andro vitsy ny taona 2023, nipoirana zava-mahavariana teny Ambohimanga, araka ny voalaza sy miparitaka be ao anaty tambajotran-tserasera. Voalaza fa nisy nametaveta ireo toerana manan-kasina. Niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera samihafa ny vaovao nilaza fa : «Fotoana manan-tantara ny andro androany 29 desambra teny Ambohimanga izay niarahana tamin’ny tobim-pifohazana […]
Slam Malagasy : mankalaza ny faha-15 taonany
Ao anatin’ny fankalazana ny faha -15 taonany ny fikambanana Madagaslam. Nanomboka ny desambra 2022 ary tsy hifarana raha tsy amin’ny volana desambra 2023 ny fankalazana. Maro ny vina sy hetsika miavaka kasaina ho tanterahina hanamarihana izany fankalazana izany amin’io taona io. Hisy ny famerenana ny fifaninanana andraisan’ny sekoly ambaratonga faharoa […]
Vina taona 2023 : hisy ny fihaonamben’ny mpampianatra valiha
Iray amin’ireo zavamaneno hita manerana an’i Madagasikara ny valiha. Miha maro ny efa liana aminy, indrindra fa ny Malagasy. Tsy vitsy ireo niroso amin’ny fampianarana azy ity. Vokatr’izay, samy manana ny fomba heveriny fa hoenti-mampita fahalalana ny mpampianatra tsirairay. Tahaka izany ihany koa ny fandaharam-pianarana. Mba hampifanatona akaikikaiky kokoa ireo […]
“Mizara hafalina” : nahaliana ny olona ny hetsika
Notanterahina teny amin’iny faritra Ambohidratrimo sy ny manodidina iny, ny zoma 30 desambra 2022, ny hetsika “Mizara hafalina”. Dihy vakodrazana, niarahana tamin’ny tarika Bakomanga, noravahana lalao sy fanentanana no naseho nandritra ny hetsika. Tanjona ny hampahafantarana sy ny hameloma-maso ny kolontsaina malagasy, ankoatra ny fifampizarana hafalina, hoy ny mpikarakara. Anjaran’ny […]





