kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Nodimandry i Ericka, mpanakanto mpanafana lanonana isan-karazany, raha ny vaovao nampitain’ ireo namany. Efa nolazoin’ny aretina nanomboka ny taona 2022 izy, saingy tsy nahatohitra izany intsony. Efa nisy ireo hetsika vitsivitsy nifanentanan’ireo namany samy mpampandihy sy mpanafana lanonana ho fanampiana ny fitsaboana azy. Hiran’ny omaly. Fampisehoana hikaloana ireo hira noforonin’i […]

Maka tahaka be fahatany: Volana jona, hitaky ny zony indray ny ankizy

Higadona afaka andro vitsy ny volana jona, na ny «Volan’ny ankizy». Ankoatra ny lalao, hitaky ny zony indray ny ankizy. Amin’ny ankapobeny, avy amin’ireo hetsika na fampirisihana omen’ny raiamandreny na karazam-pikambanana samihafa no mahatonga ireny ankizy ireny hiteny. Efa nahazatra ny Mala­gasy ny «manan-joky afak’olan-teny». Saingy, mivandravandra amin’ny fitakiana ataon’izy […]

Asa mahakasika ny zavakanto : Maro ireo tanora te ho matihanina

Tsy ny mpanakanto irery, fa maro ireo mpisehatra amin’ny zavakanto. Misy asa maro mitaky olona matihanina anatin’izany, ary misy rafitra ihany koa. Tsy mbola tsara petraka anefa io eto amintsika, ka matetika mbola tsy tratra ny fenitra takina amin’ny hetsika ara-javakanto isan-karazany. Ho fitadiavam-bahaolana amin’izay sy hanokafana ny sehatrasa manodidina […]

Raboussa : “Hotetezina an-kira ny 25 taona an-tsehatra”

Raboussa irery, hatreto, ny tarika mpanao rap nahazaka irery ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Haverina indray izany fanamby izany, ho fanamarihana ny 25 taona an-tsehatra. Taona 1997. Nampiboi­boika ny aingam-pana­hin’ireo mpanao rap tamin’izany, hampiakatra avo ny Hip hop sy ny tontolony. Nisy ireo namaky lay, ary anisan’ny nanaraka voalohandohany tao Raboussa. […]

TARATRY ny KANTO

Efa misokatra ny fisoratana anarana, ho an’izay liana amin’ilay fifaninanan-kira kristianina, “The next voice”. Ho an’ny tanora 18 hatramin’ny 30 taona izy ity, ka ho an’olon-tokana ihany fa tsy tarika na antoko mpihira. Manomboka ny 6 jona hatramin’ny 30 aogositra izao ny fifanintsanana. Ny Colarys Messenger of Jesus sy i […]