kolon-tsaina

Fampivelarana ny zavakanto malagasy: Tafatsangana ny « Vovonan’ny mpitsoka mozika »

Mavesa-danja eo amin’ny fampivelarana ny zavakanto ny fananana rindran-damina mazava hoenti-miasa sy manatsara ny atao. Ny fikatsahana sy fametrahana izany no anisan’ny antony nananganana ny « Vovonan’ny mpitsoka mozika ». Notanterahina tetsy amin’ny Ivokolo Analakely ny fampahafantarana ny fijoroan’ny « Vovonan’ny mpitsoka mozika ». Anisan’ny zava-dehibe sady antony nananganana ity vovonana ity ny fampivelarana […]

TARATRY ny KANTO

Nisy nandrava ny doanin’ Andriama­non­gavola, eny Alasora. Raha ny hita eny an-toerana, nokorontanina ny doany nisy ireo sainam-pirenena ary nozimbazimbaina ny faritra Masina. Mifanentana ireo mpandala ny fomba malagasy hiakatra eny an-toe­rana, anio, hidinika ny tokony hatao sy ny fepetra horai­sina. Mitady mpanao hatsikana hanao ny tapany voalohany amin’ny seho […]

Kolontsaina mivelatra sy miampita: Hasandratra ny hira sy ny dihin’ny Ntaolo

Hetsika kolontsaina sy zavakanto, fomba amam-panao, tsy fahita firy. Ny sabotsy 22 aogositra izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Hotanterahina eto Anta­nanarivo Renivohitra ny « Fanan­dratana ny hiran’ny Ntaolo sy ny dihin’ny Ntaolo ». Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny diabe ara-kolontsaina tarihin-javama­neno miainga eo Ambohija­tovo ka hatreny amin’ny Parvis Analakely. Arahina ny […]

« The Voice Africa 2026 »: Maniry hikarakara fifaninanana eto i Val

Nisongadina indray i Madagasikara tamin’ilay fifaninanan-kira « The Voice of Africa » Manana tetikasa maro i Val taorian’ny nahazoany ny laharana faharoa. Hikarakara fifaninanan-kira goavana ho an’ny tanora malagasy, ha­nan­gana trano famokarana, fa indrindra hamoaka hira amin’ ny teny malagasy entina eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena. Ireo no anisan’ ny tetikasan’i Val […]

Poopy sy Johary : Nanjaka ny tsikom­bakomba an-tsehatra

Feno ny efitranon’ny CCI Ivato, omaly… Tsy izay fotsiny anefa no nitarafana ny fahombiazan’ilay seho «Kanto mifameno», fa ny fisongadinan’ilay tsikombakomban’i Poopy tamin’ny tarika Johary teny an-tsehatra, izay namoaka ilay lohahevitra. Kely loatra indray aza ny efitrano raha ny haben’ny seho sy ny lazan’ireto tarika roa tonta ireto no hamaritana […]