17 novambra, amin’ny 3 ora sy 28 minitra. Ilay daty sy ora voatondro, hihaonan’ny tarika ‘Zay sy ny mpankafy azy ao “an-tokotaniny” io. Eny, tokotanin’ny tarika ‘Zay sy ny mpankafy azy tokoa ny Lapan’ ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Tsy mbola nisy mantsy seho nataon’ny tarika ‘Zay tao ka […]
kolon-tsaina
Fahavaratra : mikatona ny adin-kiragasy
Anisan’ny tantara mahaliana ny mpikaroka momba ny fivoaran’ny zavakanto, eto Madagasikara, ny an-dry zareo mpihiragasy. Manana asa roa mifampitohy izy ireo. Amin’ny fotoan’ny maintany, manatanteraka seho amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra ny tarika na mpilalao hiragasy. Mirotsaka ny orana, miverina any amin’ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana ny mpikambana tsirairay. Izany hoe, ny […]
« Novembre Numerique »: hisongadina ny mahakasika ny « Intelligence Artificielle »
Efa mahazo laka tokoa ny fampiasana ny Intelligence artificielle ankehitriny, amin’ny lafiny rehetra. Anisan’ny miteraka fahalavorariana sy fahafaham-po izany amin’ny fanatontosana zavatra ireo, indrindra eo amin’ny sehatry ny kanto, saingy mamono tsikelikely ny famoronana. Tanterahina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny 2 hatramin’ny 16 novambra 2024, ny […]
TARATRY ny KANTO
Hankalazana ny faha-10 taona nananganana ny tarika Dadalaora avy any Manalalondo, hisy ny adin-kiragasy goavana, izay hotontosaina ao amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny alahady 3 novambra izao. Hifampitaha amin’izany ry Rapaolison avy any Mandiavato sy ny tarika dadalaora Manalalondo. Miroso tsikelikely amin’ny asa aman’andraikitra hiantsorohany ny Maison Ony eny Ambatobe. […]
Tarika Zazadàla: hamoaka ny rakikirany voalohany
Hotanterahina ny sabotsy 9 novambra 2024, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika Zazadàla. Hetsika ho fampiroboroboana sy fampahafantarana misimisy kokoa ny “Juliette Romanova’s Ghost Story (Part 1)”, rakikira voalohan’ny tarika. Anisan’ny seho atolotry ny IFM sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, ao anatin’ny hetsika lehibe […]