« Tononkalo avy amin’ny tanàna ». Lohateny nampitondrain’ny Havàtsa-Upem ilay hetsika hotontosaina, anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha. « Aingam-panahy avy amin’ny tanàna = faritra, vohitra, toerana… Manerana an’i Madagasikara », hoy ny fampahalalana sy fampahafantarana ary famintinana nataon’ny mpikarakara momba ity hetsika hanamarihana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny […]
kolon-tsaina
AmbondronA sy mi’Ritsoka: Hisy seho goavana ho an’i Toamasina
Samy manao ny tandrify azy. Hanohy ny andian-tseho, ho fanangonam-bola hanampiana an’i Toamasina ny tarika AmbondronA. Ao amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, vavahady P1, ny alahady 8 marsa. Io ny fotoan-dehibe homen’ny tarika AmbondronA ireo mpankafy azy eto Antananarivo. Fampisehoana goavana no homanina, iarahan’ny tarika misalahy amin’ny mi’Ritsoka Production eo amin’ny fampitaovana […]
Hosodoko: “Tsiaro ny lasa”, hitarafana ny 40 taona mahery…
44 taona lasa ny marina kokoa, satria efa tamin’ny taona 1982 izy ireo no niara-dalana. Mpianatr’i Hans Ranaivoson avokoa, teo amin’ny sehatry ny hosodoko ry Georges Rakotomanana, William Randriamanana, Rafalimanana, Rakotomalala Joe ary Miraniaina Randriamalala. Tafaraka indray izy ireo ankehitriny, ka hiara-hanatontosa fampirantiana “Tsiaro ny lasa”. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, […]
Mbola manaiky lesoka hatrany : Ny kolontsaina tsy misy avo sy iva
Niverina indray ilay fomba fijery napetraky ny mpanjanaka. Rehefa any ivelany na avy any ivelany, tsara. Ny eto an-toerana, tsy mahomby loatra. Any amin-javatra hafa ivelan’ny kolontsaina mety hitombina izany… Ny kolontsaina, zavakanto, soatoavina, fomba amam-panao, sns. Tsy mba azo refesina ka hametrahana venty tahaka ny lanja, habe, velarana, halavirana… […]
TARATRY ny KANTO
Manohy ny diany hatrany ny Tanora Masina Itaosy. Fantatra izao fa hanatanteraka rindran-kira eny amin’ny FLM Ebenezera Sabotsy Namehana ry zareo, ny alahady 22 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Fotoana hamerenan’ny Tanora Masina Itaosy indray ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay. Hitondrany ny vaovao ihany koa. Hanehoany […]




