Tetsy amin’ny «La Cité des cultures» Antaninarenina. Nandritra ny fivoriam-be notanterahin’ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny kolontsaina na ny «Sorakanto», ny sabotsy 21 febroary teo no nanatanterahina ny fifidianana izay hitarika indray ny fikambanana. Voafidy ho filoha tamin’izany Rakotoarisoa Joachin Michaël (Mika). Izy no nandimby ny filoha teo aloha Randriamiarantsoa […]
kolon-tsaina
Teny malagasy : Ahavitana raharaham-pikarohana
Ny sabotsy 21 febroary teo no nanamarihana maneran-tany ny «Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny». Ho an’i Madagasikara, nisy ny hetsika notanterahina tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, niarahana tamin’ny fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Ny teny amin’ny Onivesriten’Antananarivo nanehoan’ireo mpampianatra sy mpikaroka eny amin’ny ambaratonga ambony fa ahavitana raharaham-pikarohana ny teny […]
RDJ Mozika 2025 : « Mpanakanton’ny taona » i Denise sy ny tarika Reko
Tontosa afakomaly, tetsy amin’ny Novotel, Ivandry ny lanonana namoahana ny valin’ny fifaninanana RDJ Mozika 2025. Voafidy ho mpanakanton’ny taona, i Denise sy Reko. Toy ny isan-taona, namoaka ny valin’ny fifaninana RDJ Mozika 2025, ny RDJ 96.6 Fm. Voafidy ho «Mpanakanton’ny taona 2025» teo amin’ny sokajy vehivavy i Denise raha ny […]
TARATRY ny KANTO
Maika ny fanarenana ny Mozea Vavitiana ao Toamasina. Anisan’ny nitondra takaitra mafy koa ity tranombakoka mitahiry ny tantaran’i Madagasikara ity, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Harenina haingana ity vako-pirenena ity, raha ny nambaran’ny minisitera. Nahitam-pahavoazana mavesatra ihany koa ny Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera, “Masôva 501”, izay sady biraon’ny minisitera no […]
MSK – Oniversiten’Antananarivo : Nomen-danja indray ny teny malagasy
Nosokafana, omaly, teny Ambohitsaina Ankatso, ny fanamarihana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny » ifarimbonan’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Ivon-toeram-pikarohana momba ny arika sy ny zavatra ary ny olona malagasy (Itazoma/Ciram) ao amin’ny Zanatsehatra Malagasy, Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra ary Siantsan’ny Maha olona. Nosantarina tamin’ny diabe norahavana hira, ny fandaharam-potoana. Narahina fampirantiana ireo […]




