kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Mr Sayda sy ny zandry Gasy, eny amin’ny Le Pavé Antaninarenina. Fiarahana hafakely ity hiseho anio, manomboka amin’ny 8 ora alina ity. Na samy tanora aza mantsy, tsy mitovy gadona sy karazana mozika ny tarika roa tonta. Afaka miaraka tsara mihitsy anefa, satria samy be mpankafy. Mbola hanampy azy ireo […]

« Invitation aux Temps »: tetikasan’Andriantseheno Finoana Ratovo

Hotanterahina eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny 2 hatramin’ny 28 novambra 2024, ny fampirantiana ny tetikasa «Invitation aux Temps». Fampirantiana tontosain’i Finoana Ratovo Andriantse­heno, laharana faharoa nandritra ny fifaninanana «Prix Paritana» andiany fahavalo, miaraka amin’ny Fondation H. Ity tetikasa ity dia manasa an­tsika hanaiky ny fiovana sy ny tsingerina voajanahary […]

Saïry : Miaro, mampahalala ary mampiely ny mozika malagasy

Mandalo an-tanindrazana i Rija Randrianivosoa. Ankoatra ny nandraisany anjara tamin’ny fampisehoan’i Lalatiana, nampahafantatra ny asan’ny Saïry Production izy. Natambatry ny mozika Malagasy. Patrick La­vaud, talen’ny “Les Nuits Atypiques” any Langon, izay anisan’ny niketrika ny Feo Gasy niaraka tamin’i Erick Manana. Nadiah Randriama­nan­jara, misehatra eo amin’ny tontolon’ny famokarana zavakanto. Rija Randrianivosoa, […]

Faribolana Sandratra: haseho an-tsehatra ny “Embana”

Embaña, fiteny avy any amin’ny foko Sihanaka any, izay midika hoe “elatra” raha avy ao afovoan-tany no nosafidian’i Nirihaja, Tiavina, Haingohaja, ary Kalo Fanomezana, izay samy mpikambana eo anivon’ny Faribolana Sandratra, ho lohatenin’ny seho izay hotanterahin’izy ireo ao amin’ny CGM/GZ Analakely, ny sabotsy 26 oktobra 2024 amin’ny 3ora tolakandro. Ao […]

Festival Jerijery: hetsika ara-kolontsaina any Vavatenina

Hatao ny 30 oktobra hatramin’ny 3 novambra ho avy izao, any Vavatenina, faritra Analanjirofo ny «Festival Jeri­jery». Nambaran’i Tovy Cari­nah, fa mampiavaka an’ity andiany faha-20 ity ny maha hetsika ara-kolontsaina Be­tsimisaraka azy, indrindra ny vakodrazana. Mahatratra 1 tapitrisa Ar ny loka ho an’ny voalohany amin’ny fifaninanana. Hisy koa ny hetsika […]