kolon-tsaina

Fampisehoana hatsikana: Hiverina indray ny “Fetin’i Maman’ty!”

Taona 2012, anisan’ny rakitsary be mpankafy sy nahasarika indrindra ny mpankafy ny “Vavaka ho anao ry Neny”, hiran-dRamy Franck, novelomin’ireo mpanao hatsikana. Nitondrana ilay fampisehoana “Fetin’i Maman’ty!” voalohany tao Antsahamanitra io, izay noraisin’ny LH Pro an-tanana tamin’izany. Nanom­boka teo nivoatra harany, lasa fotoam-bita isaky ny fetin’ny reny ary efa nisy […]

Fivelaran’ny kolontsaina: Ilaina ny dia fibeazana

Manomboka mitombo isa ankehitriny ny foibe kolontsaina mampianatra momba ny fomba amam-panao, zavakanto malagasy, fanandroana, sikidy… Endrika iray maneho fa mivelatra sy liana amin’ny momba azy ny Malagasy, indrindra ny tanora. Amin’ny ankapobeny, fahalalana maro no azon’izy ireo any amin’ireny foibe na toerana fampianarana ireny. Tsikaritra kosa, anefa, fa vitsy […]

Fanabeazana sy kolontsaina : Miha manalavitra ny zanany ny reny malagasy

Ho an’ny Malagasy, ny manan-janaka, manan-karena. Raha ny tranga misy eny amin’ny fiarahamonina ankehitriny, manary harena tsikelikely ny reny. Manomboka tsy misy vidiny aminy ny zanany. Hankalaza tsy ho ela ny « Fetin’ny Reny » ny firenena maro maneran-tany. Ho an’ny Malagasy manokana, fahiny, tsy misaraka amin’ny reny ny zanaka. Faharoa, harena […]

Literatiora: hizara ny “Kipantsona” i Lova Santatra sy i Voary

“Miderà Azy amin’ny ki­pantsona tsara feo”. Sal.150-5. Avy amin’io andalana anaty Soratra Masina io no nakana ny anaran’ny hetsika “Kipan­tsona”. Antsan-tononkalo fa­na­on’ny Faribolana Sandratra izy ity, izay hotontosaina ny 24 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. I Lova Santatra sy i Voary no hifarimbona hizara ny kanto mandritra izany. […]

Kalon’ny fahiny: hihira ho an’ny reny ny tarika Solika

Fatra-panaja ny reny ny Malagasy. Tsy ho diso anjara izy ireo amin’ity taona ity fa hotolorana fehezam-boninkazo lehibe… Na, ilay fampisehoana an-tsehatra hiarahana amin’ny tarika Solika. Ny alahady 25 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny CCEsca Antanimena, hanatanteraka rindran-kira lehibe ny tarika Solika. Fam­pisehoana tafiditra ao anatin’ny […]