kolon-tsaina

Hiragasy goavam-be : Tolorana mari-boninahitra Ranoelison Ampahimanga

Hiavaka ny « Hiragasy goavam-be » hotanterahina amin’ny faran’ny herinandro izao. Adin-kiragasy sy fanolorana mari-boninahitra. Ny alahady 7 desambra izao, manomboka amin’ ny 10 ora maraina. «Hira­gasy goavam-be» hikatrohan-dRanoelison Ampahi­manga sy Rakotomalala René, hotanterahina eo amin’ny Kianjan’ ny hiragasy Ampefi­loha. Nam­baran’i Dadafara fa : «tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’io fotoana […]

TARATRY ny KANTO

Nankalazaina, omaly, ny Andro ma­neran-tany ho an’ny harembakoka maha­kasika ny sarimihetsika sy ny haino vaky jery. Nisy ny fandefasana horonantsary fanadihadiana, niampy valandresaka mahakasika ny fikajiana ireo harembakoka ireo, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nan­dray anjara tamin’izany ireo mpisehatra matihanina toa an-dry Vero Rabakoliarifetra, Laza, anatole Ramaroson, Lova Randriam­bololonirina, izay samy […]

TARATRY ny KANTO

Volana desambra. Faran’ny taona. Vanim-potoana iray anisan’ny andrandrain’ny mpanakanto hahamaro ny hetsika kolontsaina handraisan-dry zareo anjara. Hatramin’izao, anefa, tsy mbola hita taratra loatra ny fisian’izany, raha ny nambaran’ireo mpihira sy mpitendry zavamaneno ary ny mpandihy. Manana fanahiana ihany ry zareo, sao samy hampifaly ny tokantranony ny Malagasy, noho ny hasarotan’ny […]