kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Mbola miteraka resabe ny tetivintana. Samy manana ny ambarany avokoa ireo rehetra mitonona sy milaza fa mahay mitety vintana. Tsy mitovy amin’ny fanisana andro na vahiny mantsy ny tetivintana malagasy. Io no hamantarana ny mombamomba ny zaza teraka iray. Amin’izao vanim-potoana izao, be loatra ny fahasamihafana. Indraindray aza, mifanohitra tanteraka […]

Tanora Masina Itaosy : Hanomboka ny taom-pitoriana an-kira

Raikitra fa hisy ny «Santa­tra Fiderana 2026». Hotante­rahina rahampitso ny taom-pitoriana 2026 ho an’ny Ta­nora Masina Itaosy. Ao amin’ny fiangonana FLM Ambohi­masina Itaosy ihany no hanatanterahina izany. Hanombo­ka amin’ny 2 ora sy sasany ny fandaharam-potoana. Nanome toky ity antoko mpihira ity fa « hafana avy hatrany ity santatra fitoriana an-kira » ity. […]

Mariboninahitry ny kanto : Nankasitrahana ny Sorakanto

Randy Donny sy Fy nahazo ny “Commandeur”. Faly Ran, Holy Danielle ary Zo ny Aina notolorana ny “Officier” ary i Joachin Mickaël sy Damy Govina nomena ny “Cheva­lier”. Mariboninahitry ny kanto, ny Teny ary ny Kolontsaina ireo, izay nomen’ny fitondram-panjakana ireo mpanao gazety mikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina, mivondrona ao amin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Diarin’i Anne Franck. Hisy ny fihaonana amin’ ireo malagasy mpanoratra roa, nandika ity boky ity tamin’ny teny malagasy, rahampitso amin’ny 11 ora, ao amin’y IFM Analakely. Hiresadresaka ny asa notontosainy i Michelle Rakotoson sy i Riambola Mitia, izay samy mpanoratra nandika ity boky malaza indrindra maneran-tany ity. Ny alarobia 4 […]

Art’Eroport: Omena aina ny fiaramanidina efa tsy miasa

Nikarakara fifaninanana ho an’ny mpahay kanto ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramani­dina iraisam-pirenena Ivato, Anta­nanarivo. Nomena ny anarana hoe « Art’éroport » ny fifaninanana, mifantoka amin’ ny handravahana, hando­koana fiaramanidina iray efa tsy miasa intsony, hapetraka eo an-tokotanin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Miisa 20 ireo nifaninana, ka nahazo ny voalohany ny ekipa Hetsy, […]