Rajaona Siméon, Professeur titulaire émérite. Teraka ny 18 febroary 1926. Nodimandry ny 23 jona 2013. Ny 18 febroary 2026 ka hatramin’ny 18 febroary 2027 no hankalazana ny faha-100 taona nahaterahan’ity mpampianatra, mpikaroka, mpanoratra, sns, ity. Hetsika maro eo amin’ny tontolon’ny siansa sy kolontsaina no hotanterahina mandritra io herintaona io, ho […]
kolon-tsaina
“Tsapiky Festival” : Hanandratana ny tsapiky amin’ny sehatra avo
Efa harembakoka iraisam-pirenena. Rariny raha hasongadina eto an-toerana ka hatrany ivelany ny gadona tsapiky. Ny 10 desambra 2025 no nivoaka ny fanambarana avy amin’ny Unesco: Tafiditra ho isan’ireo harembakoka iraisam-pirenena ny gadona tsapiky. Nampahanfatarin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina tamin’ny fomba ofisialy izany, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy […]
Kolontsaina sy zavakanto: Mbola vitsy ireo sahy mamatsy tetikasa
Hatramin’izao, mbola ny tontolon’ny hira ihany no mahita hirika. Manome na mampiasa vola hanatanterahina ny famerenan-kira sy ny fiakarana an-tsehatra ny mpandraharaha, rehefa avy nanao kajy fa ho voaverina ny volany. Hahazo tombony izy. Tsy ny hira irery, anefa, no zavakanto. Anisan’ny manana tetikasa goavam-be, ohatra, ry zareo mpanao tantara […]
Tarika AmbondronA : Hiaraha-mankalaza amin’ ny mpankafy ny 25 taona
Tsy iadian-kevitra intsony fa anisan’ireo tarika malaza indrindra eto Madagasikara ny tarika AmbondronA. Naharitra tao anatin’izay laza izay koa, satria efa 25 taona nisiana. 2001-2026. Feno 25 taona amin’ity ny nisian’ny tarika AmbondronA. Nandalo sedra maro vao tonga amin’izao lazany izao ny tarika tao anatin’izay fotoana izay. Noho ireo mpankafy […]
Fanabeazana sy fampianarana : Mbola misy diso fandray ny « fanagasiana »
Taorian’ny taona 1972 nanaovan’ny mpianatra fihetsehana ho fanoherana ny fanjakazakana mivantana sy ankolaka nataon’ny Frantsay teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana, nipoitra tsikelikely ny « fanagasiana ». Taona 2026, mbola misy diso fandray ihany ny tena raiketin’io teny io. Vohizina mafy indray ny fandikan-teny. Tafiditra ao anatin’izany rehefa mety ho voambolana vahiny. […]




