Aretina mpahazo ny ankamaroan’ny olona amin’izao ny fahamainan’ny maso. Maro ny antony mahatonga izany ary tokony hitandremana. Anisany ny fandrosoan’ny taona. Fa eo indrindra koa ny fijerena ecran matetika sy maharitra loatra izay tena ilana fitandremana, satria tsy voafehy intsony ny ankizy amin’izao fotoana. Ankoatra ireo ny aretin’ny taova hafa […]
Taratra
Ilaina ny fifampizarana any an-tsekoly: Mangetaheta fanabeazana ara-pananahana feno ny tanora
Tsy mitovy ny zavatra niainan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka (tanora) amin’izao fotoana amin’ny vanim-potoana sy ny zava-misy momba ny fananahana amin’ny ankapobeny. Matetika manome tsiny ny ray aman-dreny ny zanaka izay mahatsapa fa tsy azon’izy ireo ny filan’ ny tanora momba ny fananahana. Nisy ny fihaonana nahafahan’ny tanora avy […]
Fitantanana firenena: Manahy krizy politika ny HVM
Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny sekretera jeneralin’ny antoko HVM foibe Madagasikara, Rasambany Alain Désiré. «Mety hiteraka fipoahana ara-tsosialy ary indrindra ny ara-politika izao zava-misy izao», hoy izy. Nanteriny fa tsy matoky ny mpitondra intsony ny vahoaka ka amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana sy ny fidinana an-dalambe sisa no hanehoany izany. […]
MFFT sy ny Firenena mikambana : Nisitraka kamiao ny kaominina Morondava
Manamafy ny fahaiza-manao amin’ny fitantanana ny fako ny eo anivon’ny kaominina renivohitra Morondava. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy omaly ny kamiao iray lehibe fitaterana fako. Tafiditra amin’ilay tetikasa «AF/SEA MOR’AF” izany ary tohanan’ny ONU-Habitat sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nambaran’ny mpandrindra ny tetikasa eo anivon’ny Firenena […]
Fahatongavan’i Macron eto Madagasikara: Mitaky ny hamotsorana an-dRafanoharana ny loholona frantsay
Nandefa taratasy tany amin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny loholona Christophe-Andre Frass. Anisan’ny notakiny ny hifampidinihana ny momba ny Raharaha Rafanoharana Paul. Nivoitra tamin’ny taratasy ny fangatahan’ity loholona ity ny hifampidinihan’ny mpitondra eo amin’ny firenena roa tonta, amin’ny hitsidihan’ny filoha Emmanuel Macron eto Madagasikara. Nambarany tamin’izany koa ny tokony hamotsorana […]