Taratra

FANTINA sy FINTINA

Tsy fanatanterahana andraikitra sy tsy fahatomombanana fikarakarana antontan-draharaha ary ny tsy fanajana ireo adidy aman’andraikitra takin’ny asa. Ireo no antony fototra nampiatoana ny mpitsara telo eo anivon’ny fampanoavana ao amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), Antananarivo, araka ny fampitam-baovaon’ny fitaleavan’ny serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, omaly. Hamafisiny fa ampiharina amin’ny […]

Fanarenana ny firenena : Mitaky dinika madio ny Fitambolagnela

Nanao fanambarana ny antoko politika Fitambola­gnela fa miorina amin’ny fanarenana ny firenena no iorenan’ ny foto-kevitra ijoroany. “Mitaky dinika madio, marina ary tomponandrakitra, izay mametraka ny tombontsoam-pirenena ho ambonin’ny tombontsoan’ny olon-tokana na vondrona,  araka izany,  ny antoko. Fahavononana hio­va, andraikitra iombonana,  fahitsiana ary fifampitokisana. Ireo no ilaina amin’ny fanarenana”, hoy ny nambaran’ny filoha […]

Mifankahazo resaka

  Mpifankatia tsy mifamarafara, ady no farany. Vao mainka ny amin’ny raharaham-pirenena amin’izao hoe fanovana na fanavaozana izao… Mahasaro-piaro fa samy tompony, samy manana andraikitra fa tsy misy ailika na mihalangalana, ady fiady fa tsy tokony hiverina intsony ny krizy politika tsy mahafa-bela izay ela izay… Amin’izany, mila mifankahazo ny […]

Filohan’ny Fanavaozana: ”Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena”

Nanamarika ny filohan’ny Fanavaozana fa zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fampandrosoana. Nandritra ny fihaonany tamin’ny hery velona tao Sainte Marie no nilazany izany. Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fampandrosoan. Io no anisan’ny nambaran’ny filohan’ny Fanavao­zana, ny kolonely Randria­ni­rina Michaël, nihaona tamin’ireo hery velona tao Sainte Marie, Analanjirofo, afakomaly. […]

TSELATRA

Naratra mafy voatery nentina hopitaly ny mpitondra taxi-moto iray tra-doza teny Nanisana, omaly. Nitondra mpandeha, nisosa ka nifatratra tao ambany fiara ny moto nentiny. Fiara roa nifandona ka naharatrana vehivavy iray, teny Anosimasina Itaosy, omaly. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara. Niditra an-tsehatra nandamina ny fifamoivoizana ny mpitandro filaminana. Fiara tuc-tuc […]