Taratra

Voaroba ny 2 tapitrisa Ariary: renim-pianakaviana namoy ny ainy

Notafihin’ny olon-dratsy ny tokantranona mpanao biriky iray teny amin’ny fokontany Mahitsy, kaominina ambanivohitr’ Alasora, ny alin’ny zoma 28 aogositra 2026 hifoha afakomaly. Vao nahalafo biriky ireo mpivady tao amin’io tokantrano io ka notongavan’ny jiolahy. Niditra an-keriny tao an-trano ireo olon-dratsy, nitaky ny vola rehetra tao an-trano. Mbola notsindrominy tamin’ny antsy […]

Nariana teo amoron-drano: lehilahy iray hita faty nalana taova

Mitohy hatrany ny fahitana fatin’olona alana taova. Omaly maraina, lehilahy iray tokony ho 22 taona no hita faty tany amin’ny 50 metatra miala ny tanàna, ao amin’ny fokontany Ambatoharanana, kaominina sy distrikan’Ikongo. Niborida­na tanteraka ny razana ary ni­valampatra sy niankohoka teo amoron’ny lakandrano akaikin’ny kirihitr’ala iray. Tovolahy iray handeha hiasa […]

Tsy fanarahan-dalàna eto anivon’ny CUA: tafakatra hatramin’ny 1 tapitrisa Ar ny lamandy

Sazy avy hatrany no ampiharina ho an’ireo tsy refesi-mandidy eto amin’ny tanànan’Antananarivo. Ankoatra ny sazy dia eo koa ny lamandy izay tafakatra hatrany amin’ny 1 tapitrisa Ariary. Rehefa natao ny fanentanana sy ny fialana nenina rehetra nandritra ny taona maro sy fotoana lava dia miroso amin’ny fampiharana ny sazy sy […]

Namono an’i Stéphanie sy Haingotiana: maty voatifitra izy efa-dahy tompon’antoka

Maty voatifitry ny polisy ireo tovolahy miisa efatra, tompon’antoka tamin’ny famonoana roa vavy hita faty teny Ambohimanga Rova, ny alahady 23 aogositra teo. Nanohitra ny mpitandro filaminana izy ireo ka antony nitifirana azy. Mbola hita avokoa ny porofo rehetra sy ny fitaovana nanaovan’izy ireo ny asa ratsy. Maty voatifitry ny […]

Basikety – Mada U16, tovovavy: Lavon’ny Pintade ny Ascut

Notanterahina ny alakamisy lasa teo ny dingana ampahavalon-dalana iadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja basikety, sokajy U16, lahy sy vavy.  Fihaonana atao any Amoron’i Mania. Anisan’ ny vokatra nisongadina ny fandresen’ny Pintade Amo­ron’i Mania ny Ascut Atsinana­na, tamin’ny isa tery 58 no ho 53, ho an’ny tovovavy. Lalao niady hatramin’ny farany. […]