Manampy ilay orinasa iray efa miasa ny Colas, manamboatra ny ampahan-dalana any Ampasimadinika, amin’ny lalam-pirenena faha-2. Avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ny vola amin’ny ampahany iray, ary avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (Fonds routier) ny famatsiam-bola faharoa. Ireo toerana tena ratsy, toy ny eo amin’ny PK130, no tena henjehana. Hamokatra […]
Taratra
Olan’ny famokaran’ny indostria: Tokony hatsangana ny kaomity mpitantana ny sahandriaka
Miantoka ny fampandrosoan’ny toekarena sy ny famokaran’ny orinasa ny rano. Ankehitriny, mihena ny vokatra noho ny tsy fahampian-drano. Omaly, nikaondoha tetsy amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA), ireo mpisehatra nifandinika sy nifanakalo hevitra ary nandroso vahaolana momba izany. Nivoitra tao anatin’izany ny hananganana ny kaomity mitantana ny […]
Toe-tsaina
Raha mandinika ny zava-misy eto an-dRenivohitra amin’izao fotoana izao, tsy hita ny voambolana hilazana azy. Sanatrian’ny vava mandatsa amin’ny fahavoazana fa tena mahalasa saina ny tsy fahatsapan’ny sasany tena hoe misy andraikitra goavana mahavoa azy. Manome tsiny, andaniny. Miandry toloram-potsiny, ankilany. Tsy misy ny manaiky fa rangory fototry ny […]
GIZ-Tosika Angovo: Fampisitrahana herinaratra any ambanivohitra
Mpiara-miombon’antoka manan-danja amin’ny famatsiana herinaratra any ambanivohitra ny Vondrona eoropeanina sy Alemaina. Tanteraka izany amin’ny alalan’ny hetsika Tosika Angovo, tohanan’ny Fiaraha-miasa alemà GIZ. Manohana mivantana amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina ny Vondrona eoropeana sy Alemaina, amin’ny alalan’ny Fiaraha-miasa alemà GIZ. Voakasik’izany ny famatsiana herinaratra any ambanivohitra. Misy ny hetsika […]
TSELATRA
Lehilahy iray antsoina hoe Tsila, efa mpamerin-keloka, lavon’ny balan’ny polisy tany Antanimalandy, Mahajanga, omaly vao maraimbe. Jiolahy raindahiny amin’ny asa fanafihana mitam-piadiana izy io. Maty voatifitry ny polisy izy nandritra ny fifanjevoana teo aminy sy ny mpitandro filaminana. Olon-dratsy anaty fikambanan-jiolahy izy ity ary efa ela nokarohina. Tranona mpandraharaha iray […]