Namono olona hafa indray ny Mpox. Raim-pianakaviana iray, 53 taona, monina any Mananara Avaratra, no namoy ny ainy vokatry ity valanaretina ity, ny alahady 23 aogositra lasa teo. Narary izy ary naiditra hopitaly tany Toamasina ary tao no namoy ny ainy. Raha ny angom-baovao voaray, efa ela no nahitana soritr’aretina […]
Taratra
Ampasika : Tovolahy voasoloky, very ny bisikileta
Very hevitra saika hanaotao foana ny tovolahy iray voasolokin’ny olon-dratsy teny Ampasika, afakomaly. Norebireben’ny mpisoloky tamin’ny vato sandoka, nanome ny bisikileta vaovao teny aminy ity lehilahy ity. Niezaka nanangona vola izy sy ny zokiny mba hahazoana io bisikileta io, araka ny loharanom-baovao. Nahafeno vola mitetina 400 000 Ar, niroso tamin’ny […]
NISY NANENDAKA: Vehivavy Hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa
Nokarohin’ny mpamonjy voina nandritra ny alina tontolo tao amin’ny ranon’Ikopa, teny Tanjombato, ny tovovavy iray. Hita omaly, tamin’ny 7 ora maraina, ny vatana mangatsiakany. Niezaka nitsoaka izy rehefa nisy nanendaka teny an-toerana, afakomaly hariva, ka latsaka tao anaty rano, ary namoy ny ainy tao. Tovovavy iray 22 taona, efa tsy […]
Mpianatra nivoaka ny ENS : Efa mikirakira fifanarahana arakasa ny Men
Nizara vaovao ny tale misahana ny maha olona eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Rakotondrina Volafelana Marinah. Nambarany ny momba ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpianatra nivoaka teny amin’ny Ecole normale supérieure (ENS) andiany faharoa. Misy olona mahatratra 211 voakasika ka eo am-pikirakirana ny fifanarahana arakasa ny DRH ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena […]
Foaraben’ny fahasalamana iraisam-pirenena : Manome tolotra fitsaboana maimaimpoana
Hifarana anio, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny foaraben’ny fahasalamana iraisam-pirenena izay hetsika niatomboka ny talata lasa teo, nokarakarain’ny Adventist World Radio (AWR), notarihin’ ny filohany, Jim Howard, mpanao asa fanompoana maneran-tany. Mifototra amin’ny fanakaikezana sy ny fanamorana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka ny tanjona. Mandritra izany, misy ny […]




