Taratra

Fitsaboana nentim-paharazana : Ampiasain’ny ankamaroan’ ny Malagasy

Nomarihina omaly, tetsy amin’ny Plan Anosy, ny Andro afrikanina ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana. Hetsika iray natao hampiroboroboana ity fitsaboana iray ity. Tsy lefy laza ny fampiasana azy, raha eto Madagasikara. Mampihatra izany amin’ny andavanandro ny 80% ny Malagasy, ankehitriny. Azo lazaina ho fitsaboana manakaiky ny mpiara-belona izy io ka antony […]

Mouvement pour la Différence (M4D) : Manentana ny mpiray ombon’antoka hanohana

Hitodika kokoa amin’ny fanomezan-danja ny fahasamihafana sy ny fanajana ny zo fototra ny paikadin’ny Mouvement pour la différence (M4D) ho an’ny efatra taona manaraka. Araka ny andininy voalohany (1) ao amin’ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona, manamafy ny fitoviana sy ny zo ho an’ny rehetra ny M4D. Miady izy ireo […]

TARATRY ny KANTO

Tsy ampy ny fianarana zavakanto mandritra ny fotoam-pialantsasatra lehibe. Hevi-diso eo amin’ny ray aman-dreny ny hahita vokatra tsara sy vetivety amin’ny zanany, rehefa mianatra zavakanto na asa tanana ao anatin’ny volana iray na roa. Mialoha ny hianaran’ilay zaza na tanora. Tokony hanazava ny mpampianatra fa tsy vita ao anatin’io fotoana […]

Mozika sy hira : Manajary mozika mitoetra i Ranto

Tanjon-dRakotoarimanana Niry Ndranto na Ranto amin’ny fikirakirana ny mozika ny hamokatra kanto an-kira mi­toetra sy mipetraka mahatety vanim-potoana maro mifandimby ta­haka ny efa nataon’ireo mpanakanto andrarezina maro. Nanteriny fa «manamora ny fa­mokarana ny mozika ny fisian’ny teknôlôjia ankehitriny, saingy, mila apetraka mandrakariva manoloana izany ny fanomezan-danja ny lafiny famoronana avy […]

Faribolana Sandratra : Hisokatra ny taom-piantsana

Hisokatra ny sabotsy 19 septambra 2026 izao ny taom-piantsana ho an’ny Faribolana Sandratra. Tahaka ny nahazatra hatramin’izay, ny Cercle Germano-Malagasy (CGM/GZ) eo amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina no hanatanterahina ity antsa tononkalo santatra ity. Tranga anisan’ny hampiavaka ity antsa ity ny fandraisana anjaran’ireo dimy mirahalahy izay sady mpanoratra no mpilalao sarimihetsika. Antony, rahateo, […]