Taratra

Fitantanana ny tontolo iainana: Omena sehatra ireo tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina

Haharitra roa andro ny fivoriana andiany faharoa, eto Antananarivo, izay fihaonamben’ny mpikaroka sy tanora mpikaroka eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Hahafahany mifanakalo traikefa amin’ny olana sy ny vahaolana iombonana ny hetsika. Ny Fondation de l’innovation pour la démocratie, amin’ny alalan’ny laboratoire Océan indien no mpikarakara ny hetsika. Mampi­songadina ny traikefa ana­nan’ny […]

Tarika Rebika: Handahatra hira 70 mahery!

Tarika anisan’ny manana mpamoron-kira maro ny Re­bi­ka. Manahirana azy ireo hatrany ny fisafidianana izay hira halahatra, indrindra re­hefa fampisehoana goavana. “Ho lava dia lava ny fampisehoana, satria hira tsy latsaky ny 70 no hataonay, izany aza ahina misy mbola andrasan’ny mpa­nkafy tsy voalahatra ao”, hoy ny nambaran’i Nix, omaly. Mandritra […]

“Fa tsarotsaroako…” : Hahatsiaro ireo namana efa lasa ny Feo Gasy

Feno fihetseham-po ny fitantaran’i Erick Manana… “Teny ambony sehatra no ni­rafitra ny tarika, tany Bor­deaux. Fa avy dia nifankahazo am-panahy ka tonga amin’izao 30 aona izao”, hoy ny ampahany tamin’ny fitantarany ny tantaran’ny tarika Feo Gasy, nandritra ny fihaonana tamin’y mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny QG Ankorondrano. Tafavory eto Antananarivo […]

Volley-ball – Mada U15, zazalahy : Adin’ny samy zandary ny famaranana

Tontosa tany amin’ny Kianja mitafon’i Mahajanga, ny alarobia lasa teo, ny din­gana manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Mada­ga­sikara, taranja volley-ball, sokajy U15, zazalahy. Adin’ny samy ekipan’ny zandarimaria (GNVB) ny famaranana. Raha hiverenana, resin’ny GNVB 1, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/11 ; 25/7 ; 27/25) ny MVBC. Tsy niady […]

Aina Rafolo, mpanazatra ny Akomba: “Mahay fa tsy ampy lalao ny ankizy”

Fahadimy ny Akomba Madagasikara nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Afrique Australe), taranja tenisy, sokajy U12. “Vokatra mahavelombolo na lesoka aza ny tsy fahampian’ny fifanina­nana”, hoy i Aina Rafolo, mpanazatra ny ekipa. Gazety Taratra (*): Faha­dimy ny Akomba nandritra ny “Afrique Australe” taranja te­nisy […]