Taratra

67 ha sy Antohomadinika : Jiolahy raindahiny lavon’ny polisy

Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana afakomaly maraina, tetsy amin’ny Coum 67ha, ny jiolahy raindahiny iray. Malaza amin’ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana izy io ka mampihorohoro ny mponina eny 67ha sy An­tohomadinika. Avy nanatanteraka fanafihana mitam-piadiana teo amin’ny Coum izy io no nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana teny an-toerana. Tsikaritr’ireo polisy mbola […]

Lozam-pifamoivoizana – RN1 : Mpandeha iray namoy ny ainy

Niforitra ny lohan’ny fiara iray nifandona tamin’ny kamiao teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, PK 92+400, teo Lalantapaka, fokontany Amboalefaka, kaominina Miarinarivo II, ny harivan’ny 24 marsa teo, tamin’ny 5 ora. Nifanena tao anaty fiolahana ny fiara mpitatitra entana iray avy any Analavory nikasa hihazo ny Renivohitra sy ilay kamiao nifanoha-dalana taminy. […]

OMC Toliara: « Tsy handeferana mihitsy ny fanakorontanana »

Melohin’ireo tomponandraikitra misahana ny filaminana any Toliara sy Atsimo Andrefana ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana. « Tsy azo andeferana ny fanakorontanana », hoy izy ireo. Nanao fanambarana ny Prefektiora Toliara sy ny faritra Atsimo Andre­fana, niaraka tamin’ny solontenan’ny mpampanoa lalàna, ny zandarimaria, ny Tafika ary ny polisy, omaly 26 marsa. Melohin’izy ireo […]

Ligin’Analamanga, taranja basikety : Mifototra amin’ny fikarakarana ny eny ifotony

Nanomboka ny sabotsy sy alahady lasa teo ny fifaninanana rezionaly eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, ho an’ny taom-pilalaovana 2025. Nisy ihany koa talohan’izay ny fivoriambe notanterahina ny zoma 21 marsa lasa teo nahafahana namaritra ny fandaharam-potoana sy ny tetiandro ho an’ity taona ity. Araka ny efa tanjona napetraky ny ligin­Ana­lamanga […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 110 tapitrisa dolara ny vola vatsian’ny Banky iraisam-pirenena hanavaozana ny fotodrafitrasam-pitaterana eto Madagasikara. Voakasik’ izany ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Mahajanga, ny fanavaozana ireo seranam-piaramanidina tantanin’ny Adema. Eo koa ny famatsiam-bola hanohanana an’i Madagascar Airlines sy ny vina hametrahana ny lalam-by vaovao mampitohy an’i Toamasina sy Antana­narivo. Hitarika sy hanao […]