Hanomboka, anio, any Manakara, ny fifaninanana “Challenge du Sud-Est”, taranja karate. Efa vonona tanteraka ny fandraisana ity fifaninanana ity izay hiarahan’ny ligy telo mikarakara dia ny ligin’i Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Fifaninanana efa nanomboka omaly ary hitohy anio sy ny rahampitso. Araka ny efa nampahafantarina, ity no fifaninanana farany […]
Taratra
SOMBIM-BAOVAO
Nametra-pialana tsy ho tale teknika nasionalin’ny taranja tenisy ambony latabatra Rakotoarisoa Tahiry, ny talata lasa teo. Mahagaga ny mpankafy ity fanapaha-kevitra ity, raha ny vokatra no jerena, nahavita nanome ny tsara indrindra avy aminy ity teknisianina ity, porofon’izany ny naha tompondakan’i Afrika an’i Madagasikara, tamin’ny lalao isan-tarika, izay natao tany […]
«Pureplay Football League» : miankina amin’ny FMF ny tohiny
Notontosaina teny Mahamasina, omaly, ny fivoriambe nasionaly nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nitondra ny hevitra mahakasika ny tohin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)” ny filohan’ny fikambanan’ny klioba elita eto Madagasikara, CFEM, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta. Nilaza ny tenany fa nisy ny fangatahana natao any amin’ny Federasiona malagasy (FMF), […]
Olan’ny Barea de Madagascar : Tsy manaraka ny fitsipi-pifehezana ny mpilaravinahitra
Notanterahana, omaly, tetsy Mahamasina ny loabary an-dasy nandinihana ny hoavin’ny Barea de Madagascar. Nivoitra tamin’izany fa fositra ny tsy fanajan’ny mpilalao mpilaravinahitra ny fitsipi-pitondrantena. Manoloana ny tsy fahombiazan’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea de Madagascar dia nanomana fihaonana narahina adihevitra ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na ny FMF. Nanasana sokajin’ olona maro, […]
Mikatsaka ny tsara hatrany : Nahazo Iso 14001 sy Iso 45001 ny Yas
Fitaratra eo amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra. Dingana lehibe ho an’ny Yas ny fahazoana ny mari-pankasitrahana, Iso 14001 sy ny Iso 45001. Misongadina ity tambajotram-pifandraisandavitra ity amin’ny alalan’ny kalitaon’ny tolotra omeny, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fikarakarana ireo mpiara-miasa ao aminy. Nandray ireo mari-pankasitrahana avy amin’ny talem-paritry ny « Certification […]