Taratra

Fanafihana Cash point : Naiditra am-ponja Rambola

Voasambotry ny polisim-pirenena ny sabotsy teo ny jiolahy raindahiny antsoina hoe: Rambola. Nampiakarina fampanoavana afakomaly izy ary naiditra vonjimaika am-ponja. Jiolahy fantatra sy malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana izy io. Efa ela nokarohin’ny mpitandro filaminana fa izay vao tratra sy azo sambo-belona. Marihina fa nanafika Cash point iray tany Ambositra izy, […]

Andrianainarivelo Hajo : “Maika ny hampiasana ny volam-panjakana”

Naneho ny hagagany tamin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra farany teo ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Tsy nitsitsy fitenenana izy tamin’izany. Nohitsiny fa tsy mba nasiana resaka mihitsy ny momba ireo havana sy ireo Malagasy any atsimon’ny Nosy, traboina ary anatin’ny fahasahiranana lalina taorian’ny nandalovan’ny rivodoza indroa […]

INDRAY MIJERY

Noho ny fiakaran’ny rano, nidina ifotony ny mpiasan’ny fahasalamana eto Antananarivo Renivohitra rehefa naheno ny fisian’ny traboina eto. Nanao fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ireo traboina teny amin’ny EPP Ankaditoho Marohoho, fokontany An­kaditoho, boriborintany fahefatra sy tao amin’ny Sabat Antohomadinika, boriborintany voalohany izy ireo. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana, nisy koa ny fanaovana vaksiny […]

Fianarantsoa: Nankatoavina ny fanamboarana ny Coliseum

Mitohy ny fanatanterahana ny tetikasam-panjakana nampanaovin’ny filoham-pirenena ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana. Hatsangana ao Fianaran­tsoa ny Coliseum faharoa lehibe eto Madagasikara. Ao anatin’ny pole urbain tanàna vaovao ao Ambatomena no hananganana izany. Haha­zaka mpijery 25 000 ny fotodrafitrasa ary hatramin’ny 30 000 miampy ny gradin […]

Oniversiten’ i Toamasina: Mpianatra 608 nahazo mari-pahaizana

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 21 marsa lasa teo ireo mpianatra 608 tao amin’ny Oniversiten’i Barikadimy Toamasina. Nanaraka lalam-piofanana samihafa avy amin’ny toeram-pianarana telo izy ireo. Tonga nanome voninahitra ny lanonam-panjakana ny governoran’ny faritra Atsinanana mpisolo toerana, Rakotovao Andry. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Oniversite, Dr Razanakolona Diny. Nahazo […]