Sady manavao sy manangana efitranon-tsekoly vaovao ny fandaharanasa “Sekoly Yas” no manofana ny mpanabe ihany koa. Mba hahazoana fanabeazana manana kalitao ny antony. 10 taona nanohanana ny fanabeazana eto Madagasikara ny Fondation Axian sy ny orinasa Yas. Nitondra tombontsoa ho an’ny mpianatra 45 600 manerana ny faritra 23 ny fanavaozana […]
Taratra
SOMBIM-BAOVAO
Notanterahina nanomboka ny 24 marsa lasa teo, tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana baolina kitra anaty efitrano, ho an’ireo Oniversite eto an-drenivohitra, na ny « Take Off ». Mahatratra 40 eo ireo mpandray anjara tamin’izany. Tsiahivina fa karakarain’ny Madagascar Futsal Association (MFA) ity hetsika ity. Hotontosaina manomboka ny 22 avrily ho […]
Klioban’ny Voix de la Sagesse : Miantso ny hijerena ny taranja savate
Nanatanteraka fifaninanana “Gala Andrefan’Iarivo”, taranja savate, ny klioban’ny Voix de la Sagesse, ny faran’ny herinandro teo, teny Ambohijanahary. Nambaran’ny filohan’ny klioba, Razafimahatratra Joany Fanambinantsoa, fa taranja hain’ny Malagasy ny savate saingy nangina tanteraka tato ho ato. Manao antso izy ny hijerena akaiky ny taranja ho an’olon-tokana toy ny savate izay […]
« Inter Media 2025 »: Niampy taranja tsipy kanetibe
Araka ny valandresaka natao tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Ambohidahy, hotanterahina ny 10 mey ho avy izao ny fifaninanana ho an’ireo orinasa an-gazety, “Inter –Media 2025”. Hiavaka ity andiany fahatelo ity, hiampy ny taranja tsipy kanetibe ny lalao hifaninanana, raha toa ka mbola eo ihany koa ny baolina kitra ho […]
Lalao ara-pirahalahiana : Hifandona ny kalaza fahiny sy ny olo-malaza malagasy
Raikitra ihany izy ity. Hifandona etsy Mahamasina, anio, ireo mpilalao baolina kitra malaza fahiny tany ivelany sy ny olo-malaza malagasy. Natao hitadiavana vola hanamboarana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena eto Madagasikara ity hetsika ity. Hotanterahina anio, eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lalao ara-pirahalahiana “Alefa Madagascar 2025”, izay hihaonan’ny Team des Héros, ivondronan’ireo […]