Taratra

« Vonjeo ny fampianarana »: Sehatra handraisana ny hevitry ny rehetra

Nanao antso « Vonjeo ny fampianarana » ireo mpisehatra eo amin’ny fanabeazana eto Madagasikara, omaly, teto Antananarivo, ka mpitondra teny, Ramakavelo Geneviève. Antso miantefa amin’ireo re­hetra voakasiky ny fanabea­zana, manomboka eny amin’ ny ambaratonga fototra hatramin’ny fampianarana ambony. Efa misy ny vovonana ahitana ny lafin-kery samihafa (sendikà Sempama, sekoly tsy […]

Jiron’ny Krismasy : Hafindra eny Ambohijatovo

Ho fanomezana fahafaham-po ny mponin’Antananarivo dia horavahina jiro manamarika ny fetin’ny Krismasy ny eny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo. « Noelin’ny fitia » no hian­tsoana ny hetsika amin’ity taona ity. Hisokatra anio hariva ny fitsidihana maro loko ka hifarana ny 5 janoary. Misokatra ho an’ny rehetra manomboka amin’ny 7 ora hariva hatramin’ny 10 ora alina […]

Fahasalamana : Nitondra fahombiazana ny tetikasa RISE

Naharitra 4 taona ny tetikasa RISE izay nisehatra tamin’ny tontolon’ny fahasalamana, indrindra ny fanaraha-maso ny valanaretina. Nitondra fanatsarana teo amin’ny sehatry ny fikarohana ny tetikasa. Nifarana ny tetikasa Re­search, Innovation, Surveillance and Eva­luation (RISE), nanampy be­tsaka ny sehatry ny fahasa­lamana teto Madagasikara. Tetikasa novatsian’ny USAID vola mitentina 8 tapitrisa do­lara. […]

TARATRY ny KANTO

Hiaka-tsehatra eny amin’ny Arkadia Anala­kely indray ny Be Tige Teams, anio. Hisy ny seho iarahana amina mpanao hatsikana Stand Up miisa enina, avy amin’ny Be Tige Comedy. Handray anjara amin’ izany ry Lanja Babeine, Raytra, Tsiresy. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fampivelarana sy fampiroboroboana ny Stand Up eto Madagasikara izy ity. […]

Fanandratana ny vehivavy: Nivoaka ny boky « Elles, pionnières aux mille et une facettes »

Boky iray manandratra, manasongadina ary mampahafantatra vehivavy maromaro ny « Elles, pionnières aux mille facettes », izay vao nivoaka tamin’ity herinandro ity. Navoakan’ny Total Energies Marketing Madagasikara, nifanandrify tamin’ny fankalazana ny fahazato taonan’ity kaompania ity. Tohin’ilay horonantsary « Femmes aux mille et une facettes » ny boky, izay mitovy tanjona ihany koa. Vehivavy malagasy […]