Anisan’ny notakina tamin’ny hetsi-bahoaka, tamin’ny taon-dasa, ny fanamaivanana ny vidim-piainana na ny famoronana asa. Mby aiza? Efa ho herintaona sahady izao…Hatramin’izao, tsy hita mazava aloha izay fanovana na fanavaozana. Ny isan-tokantrano no samy manao izay hiatrehana izay vidim-piainana izay, indrindra amin’ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra sy ny fidirana amin’ […]
Taratra
SADC : “Ny samy Malagasy ihany no hanao ny dinika nasionaly”
Namaly ny fanontanian’ireo parlemanta afrikanina momba an’i Madagasikara ny filohan’ny SADC. Nambarany, tamin’izany, fa ny samy Malagasy ihany no hanao ny dinika nasionaly. Niankina tamin’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) malagasy ny SADC, araka ny valintenin’ny mpitarika ny SADC sady filohan’i Afrika Atsimo, Matamela Cyril Ramaphosa, tamin’ny […]
TSELATRA
Lehilahy iray naratra mafy tototry ny tany tetsy Miandrarivo Ambanidia, omaly atoandro. Tonga teny an-toerana ny vondrona mpamonjy voina nisokitra ilay olona niharam-boina. Niady fototra ny lehilahy miisa efatra, saingy nihotsaka tampoka ny tany. Taorian’ny fikarohana, avotra soamantsara izy ary efa manaraka fitsaboana eny amin’ny HJRA Ampefiloha. Lehilahy iray nananton-tena […]
Toamasina : Valo lahy voasambotra
Nosamborin’ny zandary ny lehilahy miisa valo voasaringotra amin’ny halatra vy ao Toamasina, afakomaly. Naharay loharanom-baovao momba ny fisiana andian’olona mikasa hangalatra vy tao amin’ny dépôt ao Betainomby, kaominina Toamasina II, ny mpitandro filaminana, ny 24 aogositra lasa teo. Nanao vela-pandrika ny ekipan’ny zandary ka niatrana tamin’ny toerana voatondro. Sarona nandritra […]
Toamasina II : Mitokona ny fokonolona
Nisy naratra tamin’ireo mpitokona mitaky ny hialan’ny ben’ny Tanàna ao Toamasina II sy ny tomponandraikitry ny Birao ifotony ny fananantany, omaly. Nanomboka ny alarobia 26 aogositra, nidina an-dalambe nilanja sorabaventy ny fokonolona avy amin’ny fokontany voakasika, toy ny ao Antanandava Tsarahonenana sy Ambalamanasy. Torohin’izy ireo ho mangalatra ny tany sy […]





