Taratra

Fidirana amin’ny sehatry ny asa : Tombony ho an’ny tanora ny fisian’ny fampiofanana

Tanora avokoa ny 70% ny mponina eto Madagasikara. Tombony ho azy ireo amin’ny fitadiavana asa ny fisian’ny atrikasa fampiofanana mahakasika ny fampanana asa sy ho tonga mpandraharaha. Maherin’ny fito amin’ny 10 ny tanora malagasy mipetraka any ambanivohitra, raha ny tatitra voaray farany mahakasika ny tanora maneran-tany. Avy amin’ny tokantrano sahirana […]

Minisitry ny Fitsarana: “Aoka isika tsy hifanaratsy “

Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Ben­jamin Alexis, ny herinandro teo, tamin’ny synaodan’ny FJKM tanterahina any Taolagnaro fa mifanaratsy ny samy mpino. Nambarany fa tsy tokony hisy mpitondra fivavahana hana­ratsy mpitondra fanjakana na ny mifamadika amin’izany, araka ny nambarany. “Anisan’ny manampy sy manome tohana ny fiangonana hatrany ny eo anivon’ny fitondram-panjakana”, […]

Talata Volonondry – Valin’ny fitiliana: Matin’ny aretina ny ben’ny Tanàna

Tsy nisy namono fa maty noho ny aretim-po ny ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry, Rakotondrazaka Ny Toky Mam­pionona. Nametraka fangatahana hanaovana fitiliana, “Autopsie”, ny razana ny solombavambahoaka Tim Avaradrano, Andri­amosa Avotra. Nandalo teo anivon’ny zandary misahana ny fikarohana ny hanatanterahana izany ary nahazoana alalana tamin’ny fitsarana. Anisan’ny niatrika ny fitiliana ny […]

Itaosy : Voasambotra ilay mpiambina

Tratran’ny zandary ny mpivady, mpiambina tanàna, namaky sady nangalatra ny entan’ny mpampiasa azy tao Ambohima­mory Itaosy, omaly. Miara-miasa ao amin’ny tanàna iray izy mivady ireo ka mpiambina tanàna rangahy. Nanararaotra ny tsy naha tao ny tompon-trano izy mivady ka nalainy ny fitaovana toy ny fatana fampiasa amin’ny gaz. Nahita olona […]

Fanatsarana ny zotram-pifidianana: Hanao tombana anatiny ny eo anivon’ny Ceni

Nanatanteraka fananganan-tsaina teny amin’ny foibeny eny Alarobia, omaly, ny Ceni. Nitarika izany ny filohan’ity rafitra mpikarakara fifidianana ity, Andrianarisedo Dama Arsène. Anisan’ny voaresaka ny fanatsarana ny zotram-pifidianana. Nambarany tamin’izany ny fanomanana ny atrikasa hanaovana tombana anatiny enti-manatsara ny zotram-pifidianana, hatao ny 27 hatramin’ny 29 aogositra ho avy izao, any Maha­janga. […]