Manodidina ny 3 hatramin’ny 22°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 14 – 34°C ny tolakandro. Ny tsiokan’ny varatraza antonony no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny. Hihamalefaka kosa izany amin’ny fisasahan’ny herinandro. Misy ny fampitandremana mahakasika ny haavon’ny alondrano sy ny hamafin’ny rivotra ho an’ny morontsiraka sasany. […]
Taratra
Fampiasana kodiaran-droa : Ampitomboina ny fahamailoana eny an-dalana
Mitombo isan’andro ny mpampiasa kodiaran-droa eto an-dRenivohitra. Ambony ny ambana amin’ny loza ho an’ izy ireo, noho ny tsy fisian’ny fiarovana na tsy fahampian’ izany. Manafatrafatra ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) ny amin’ny tokony hampitomboana ny fahamailoana. Ho an’ireo mpitondra kodiaran-droa, ilaina ny mianatra sy maka taratasy fahazoan-dalana […]
Herisetra an-tsekoly : Manampy ny ankizy ny fahatokisan-tena
Hiditra an-tsekoly ny mpianatra afaka iray volana. Misy ireo ankizy tsy te hiverina any intsony noho ny herisetra nahazo azy tany am-pianarana. Tsy voatery ho herisetra ara-batana fa mety ho ara-tsaina vokatry ny fitenitenenana azy, fandrabirabiana, fampitahorana, fanambaniana… Misy mpampianatra manao izany herisetra ankolaka izany, mety tsy am-piheverana na fanahy […]
Ho an’ireo sambany handia sekoly : Mila fiomanana ara-tsaina ireo kilonga
Hisokatra ho an’ny ankizy indray ny toeram-pampianarana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2025-2026, ny 8 septambra ho avy izao. Ho an’ireo vao sambany hampiditra ny zanany any an-dakilasy, misy ny fanomanana maromaro tokony hirosoana hampizotra tsara ny taom-pianarana hatrehina. Manome toromarika ny matihanina amin’ny fampianarana sady mpanorina ny sekolin’ny ray aman-dreny! […]
VAOVAO TAMBATRA
Sarotra ny mahita fiara fitaterana eny amin’ny toby Makis Andohatapenaka, amin’izao fotoan’ny fialantsasatra izao. Nambaran’ireo mpitantana ny tranohevan’ny kaoperativa, fa efa voafandrika daholo ny toerana hatramin’ny faran’ny volana aogositra izao. Tena voakasik’izany ny mandeha amin’ny lalam-pirenena RN2, RN4, RN7, sns. Tsy mihetsika firy ny fiovaovan’ny sandambola Ariary, miohatra amin’ireo vola […]




