Taratra

Teknolojia niomerika: Miara-miasa ny Airtel Africa sy ny Xtelify

Vita sonia ny 4 aogositra teo ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Airtel Africa sy ny Xtelify, izay sampana orinasa misahana ny niomerika ao amin’ny Airtel India. Hanamafy ny fampiasana ny niomerika matanjaka sy avo lenta ity fiaraha-miasa ity. Tafapetraka ny vovonana « lo­giciel » ampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA), hanatsarana ny fahaiza-manaon’ny mpanjifa […]

Tsena Agoa: Hodinihina amin’ny filoha Trump amin’ny alalan’ny Sadc

Mitarika ny Vondrona Sadc ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’ny nomarihiny tamin’ny 18 aogositra teo, fa tombontsoa lehibe ny fitarihany an’ity Vondrom-paritra ity eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nambaran’ny filohan’ny Sadc, fa fomba ahafahana mifampidinika ny Sadc, ary anisan’izany ny fifanarahana amin’i Etazonia, mahakasika ny tsena Agoa. Satria, ho tapitra amin’ny volana […]

Tetikasa « autoroute »: Izay natomboka tsy maintsy vitaina

Misantatra ny fampiasana ny arabe migodana ny Malagasy. Nidina teny Ambodifasina ny filohan’ny Sadc, sady filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry, omaly. Nohamafisiny fa izay asa natombony dia tsy maintsy hovitaina. Nosantarin’ny filoha Ra­joelina Andry, omaly, ny fanokafana ny ampahan-dalana amin’ny arabe migodana teo amin’ny PK0, Ambodifasina. Mirefy 8 km ny […]

Angovo azo havaozina: Orinasa voalohany hampiasa ny angovo azo avy amin’ny rivotra ny QMM

Miditra tsikelikely any amin’ny fampiasana an­govo madio ny orinasa QMM any Tao­lagnaro. Ampia­saina ny angovo avy amin’ny herin’ny ma­soandro sy ny avy amin’ny rivotra (éo­lienne). Nampiasa angovo ambanin’ny tany, toy ny solika, hatramin’izay ny orinasa QMM any Taolagnaro. Ampiasaina hampandehanana ireo milina mamokatra herinaratra izany, mahatratra 24 MW. Tsy laniny […]

TARATRY ny KANTO

« Sa.Crée », fampisehoana marolafy, ao amin’ ny Cités des cultures Antaninarenina, ny 20 aogositra izao, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva. Hanam­­batra an-tsehatra ny teatra sy ny dihy ry Vony Ranala sy Marion Huet, mandritra izany. Tetikasa hitondra forona vaovao izy ity, izay kasaina hitohy amin’ny fotoana sy ny toerana […]