Nentina teo anatrehan’ny fampanoavana, notanana vonjimaika any am-ponja omaly, ny lehilahy iray mpivarotra zava-mahadomelina tao Soanierana Ivongo. Nitoroka teny anivon’ny biraon’ny polisy miasa ao an-toerana ny olon-tsotra iray momba ny fisiana lehilahy mihazona sakaosy feno rongony. Nitsirika io olona voalaza io teny amin’ny lalan’i Menantany amin’ny RN5, ny mpitandro filaminana. […]
Taratra
Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy roa maty voatifitra, dimy azo sambo-belona
Natao fanadihadiana omaly, ireo jiolahy dimy voasambotry ny polisim-pirenena tao Ambatondrazaka. Roa lahy hafa maty voatifitra. Fikambanan-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana sady mpanao herisetra ravan’ny polisim-pirenena, tao Ambatondrazaka, ny alakamisy 4 desambra lasa teo. Nirongatra ny asan-jiolahy tao amin’io distrika io. Nandray andraikitra ny ekipan’ny polisim-pirenena miasa ao amin’ny sampandraharahan’ny Fikarohana […]
FANTINA sy FINTINA
Hifanatrika fanindroany eny Tsimbazaza indray ireo mpikamban’ny governemanta, hotarihin’ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama sy ireo depiote. Tapaka tamin’ny lahadinika, afakomaly, izany ka hotanterahina ny alatsinainy 15 sy ny talata 16 desambra izao. Takin’ireo depiote ny antsipiriany ny fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana (PGE). Hamerina handinika ireo raharaha fanenjehana ireo mpitondra ambony ireo depiote. […]
Nolanian’ireo loholona ny tetibola 2026 : Hiakatra 14% ny karaman’ny mpiasam-panjakana
Nolanian’ireo loholona miisa 15 tsy nasiana fanitsiana ny lalàna mifehy ny tetibola «LFI 2026», tamin’ny fivoriana natao, omaly tetsy Anosy. Anisan’ny nisongadina amin’izany ny fanapahan-kevitra momba ny mpiasam-panjakana ka hampiakarana izany ho 14% ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Tafiditra ao anatin’izany koa ny tambin-karama ho an’ny trano fonenana, aro loza, ary ny […]
Miala amin’ny mahazatra
Mijoro etsy, mitsangana eroa ny fikambanana sy Vovonana milaza ho mpanohana sy mpiaro ny fanovana sy ny rafitra mifanaraka amin’izay. Mahavariana fa ny maramara indray no toa arovan’ny sivily sy ny olon-tsotra. Hafakely tokoa aloha ilay Madagasikara. Ny an’ny olona raha naka fahefana ny Tafika, tonga dia nanenjana sy […]





