« Fianar’Rire ». Atrikasa ho an’ireo mpanao hatsikana, na matihanina na tsia, izy ity. Mahakasika ny fampihomehezana sy fihazonana ny mpijery hanaraka ny hatsikana hatao ny lohahevitra. Hotontosaina ao amin’ny Alliance Française Fianarantsoa, anio 16 aogositra amin’ ny 8 ora sy sasany izany. Arahina fampisehoana izany rahampitso amin’ny 2 ora sy sasany, […]
Taratra
« Star Tour Mahajanga »: Fetim-pianakaviana anaty fialantsasatra
Tomefy olona i Mahajanga. Anatin’ny ivon’ny fialantsasatra mihitsy, ka maro ireo fandaharam-potoana ho an’ny fianakaviana, na tompon-tany na vahiny. Lehibe indrindra amin’ ireny ny «Star Tour», izay nanomboka omaly, eo amin’ny Bord Mahajanga. Vao tolaka ny andro dia nanomboka ny karazam-pialamboly maro. Misy ireo lalao ho an’ny ankizy, izay tazana […]
Hiragasy: Navadika Ramilison Besigara
Anarana tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’ny hiragasy. Tontosa ny alarobia lasa teo ny famadihan-drazana, namonosana indray an-dRamilison Besigara Fenoarivo, tany Mandrosoa, kaominina Morarano Antongona, distrikan’Arivonimamo. Nanotrona izany fotoan-dehibe izany ireo ao anatin’ny zavakanto, indrindra ireo mpanakanto novolavolain-dRamilison fahavelony. Teo ihany koa ireo zaza mandimby, mbola mamelo-maso ny hiragasy hatramin’izao, izay misandrahaka […]
« London Design Festival 2025 » : Voaantso hampiranty ny sanganasany i Kiady Ratovoson
Tsy mena-mitaha ny vita malagasy. Efa miakatra ny tsena iraisam-pirenena ny forona malagasy, satria voaasa amin’ilay hetsika goavana sy malaza indrindra amin’ny « design » i Kiady Ratovoson. Mamirapiratra maneran-tany ny vita malagasy ! Porofon’izany, nasaina manokana handray anjara amin’ny «London Design Festival 2025» i Kiady Ratovoson. Hetsika malaza sy iraisam-pirenena hanasongadinana ny […]
FANTINA sy FINTINA
Vahaolana sy hampitony ireo manampahaizana ny fanesorana ny mpitondra tenin’ny filohan’ny Repoblika, Ranoromaro Lova Hasinirina, araka ny nambaran’ny Dr Lahiniriko Denis Alexandre. “Manaporofo izany koa ny nilazany fa tsy mahazo ny tiany holazaina ny vahoaka. Manambany sy manamaivana olona izany”, hoy izy. Maherin’ny 5 000 miliara Ar ny vola nampiasaina […]




