Taratra

INDRAY MIJERY

Eto Madagasikara, mitodika any amin’ny fivavahana ny 40% ny olona rehefa misy olana ara-tsaina miseho eo aminy. 32,5 % manatona mpitsabo manokana toy ny psychiatre ary 2,5% mandeha eny amin’ny mpitsabo nentim-paharazana. Ireo ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny tomponandraikitry ny fahasalaman’ny saina. Amin’ny ankapobeny, maharitra enim-bolana fara fahakeliny ny fihinanana […]

Mesupres-Fondation Viseo : Mifanome tanana hanarenana ny Oniversite

Vita sonia ny alakamisy teo, tao amin’ny Atelier Luban, teny amin’ny Sekoly ambony Polyteknika Vontovorona (ESPA), ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny Fondation Viseo mahakasika ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba eny anivon’ny Oniversite. “Tanjona ny hanomezan-danja ny toeram-pianaran’ny mpianatra izay fototra iorenan’ny fampandrosoana […]

TARATRY ny KANTO

Hisy ny fampirantiana sary, etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy. Hisokatra manomboka anio izany, hatramin’ny zoma 5 desambra ho avy izao. Ao anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo izy ity, ho fanehoana ny herin’ny asa an-tsitrapo eny anivon’ny fiarahamonina ireo sary nofantenana. Sary manaitra, feno hafatra, sy fihetseham-po, […]