Nidina ifotony nanao fanentanana ny mponina tany Mangily Toliara II, mahakasika ny ady amin’ny zava-mahadomelina, ny polisim-pirenena, ny 13 aogositra teo. Faritra anisan’ny tena ahitana rongony « cannabis » na jamala, izay fahita matetika eto Madagasikara, ny any Toliara. Tsy mijanona fotsiny amin’ny fanenjehana an’ireo olona tompon’antoka amin’ny fivarotana sy […]
Taratra
Ahina ho lonilonin’ny mpivady : Renim-pianakaviana notifirina teo amin’ny tendany
Renim-pianakaviana iray no maty voatifitra teo amin’ny tendany tamin’ny alarobia alina, tao Toamasina. Efa misy ny hirika nanombohan’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana hamantarana izay tompon’antoka. Matin’ny bala tokana, notifirin’ny olon-dratsy teo amin’ny tendany, i Brucia Sizaza, renim-pianakaviana iray monina ao Toamasina. Tao anatin’ny fiara nentiny no nitrangan’ity vono olona hafahafa […]
Fiainana andavanandro : Vitsy ny manjifa saribao amin’ny gony
Anisan’ireo singa iray tsy mbola afa-miala amin’ny Malagasy ny saribao. Mbola io angovo io avokoa no enti-mahandro ny sakafo. Nahitana fiakarana ny vidin’izany tamin’ity taona ity. Mihasarotra ny fiainana! Efa tsy dia misy intsony ny olona mahavita manjifa saribao amin’ny gony, ankehitriny, araka ny fanadihadiana natao omaly, teny amin’ireo mpivarotra […]
TARATRY ny KANTO
Mitohy hatrany ny fianarana teatra, ao amin’ny AFT Andavamamba. Misokatra ho an’ireo ankizy 7 hatramin’ny 14 taona ny fiofanana manokana anatin’ny fialantsasatra. Tsy natao ho fialamboly fotsiny anefa, fa hamohazana ny talenta any anatin’ireo ankizy izany. Tsy vitan’izay fa hanampy azy hahatoky tena, hahay mifanerasera amin’ny namana, hanana saina tia […]
« Vako-Rock » : Andrasan’ny mpankafy ry Erick Tselatra
Nafana, saingy tsy feno ny fiarahana farany. Tsy afaka niaraka tamin’ireo namany ao amin’ny tarika Tselatra mantsy i Erick, nandritra ilay seho « Rock Mandrakizay », natao tao amin’ny Kianja Barea tamin’ny volana marsa. Nampanantena kosa anefa i Erick, fa vantany vao mety ny fahasalamany, hihaona amin’ireo mpankafy ao Antsahamanitra izy. Tonga […]




