Taratra

Filankevitry ny minisitry ny Sadc : Nandray ny fitantanana i Madagasikara

Kihon-dalana farany amin’ny fivoriana, ankoatra ny an’ny Troïka, mialoha ny fihaonana an-tampon’ny filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta, ny filankevitry ny minisitra eo anivon’ny Sadc. Nandray ny fitantanana ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika. Vita teny amin’ny CCI, Ivato, omaly, ny famindram-pitantanan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny varotra iraisam-pirenena zimbabwéen, Pr […]

Handball – Mada Jeunes : Nanao pao-droa ny HC Est Atsimo Andrefana

Tontosa ny sabotsy 9 aogositra lasa teo, tany Tsiroanomandidy, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, taranja handball. Nisongadina ny HC Est Atsimo Andrefana. Nanao pao-droa mantsy ity ekipa ity, teo amin’ny Cadet sy ny Junior, lehilahy. Tsy nisy naharesy mihitsy izy ireo nanomboka tamin’ny fifanin­tsanana ka hatreo amin’ny famaranana. Teo […]

Théophile, mpivarotra, manan-talenta : Maniry ny hahay mamaky teny sy manoratra

Mpivarotra iray tsy vahiny etsy Ana­lakely i Théophile. Manana olana ara-pahasalamana izy, saingy manana ta­lenta hafakely, izay efa voajanahary ta­min’ny tenany. Ma­nana faniriana ny hahafehy ny famakiana teny sy ny fanoratana izy. Manan-talenta! Lehilahy iray efa 40 taona i Théophile na i Théo. Mivarotra fitoerana fera sy vilany ary fametrahana […]

«Marathon de Tana» : Hatao ny 12 oktobra izao

Anisan’ireo fifaninanana tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Federasio­nina malagasin’ny atletisma (FMA), amin’ity taom-pilalaovana 2025 ity, ny «Marathon de Tana». Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 12 oktobra ho avy izao izany, araka ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra. Raha tsiahivina, efa tany amin’ny taona 2019 no nisian’ity fifaninanana ity farany. Hiverina indray, […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiakatra an-tsehatra, anio, ny Malagasy, Nambininjanahary Mostepha, hiatrika ny fifaninanana “Word Games”, taranja kick-boxing, tontosaina any Chine. Eo amin’ny taranja K1 Rules, sokajy latsaky ny 63,5 kg, no hifaninanany ary efa tena vonona tanteraka ity Malagasy mpikatroka ity hiaro ny voninahi-pirenena sy ny voninahitr’i Afrika. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, […]