Taratra

Mpanao vato voatafika: Karohina ireo nahavanon-doza

Anatin’ny fanadihadiana, mikaroka ny mombamomba ireo olona dimy nanafika “Sri-Lankais” mpividy vato, tao amin’ny fokontany Avaradrova, kaominina Ambatondrazaka, ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Lasan’ny olon-dratsy ny vola mitetina 10 tapitrisa Ar tao amin’ity teratany vahiny ity, ny alin’ny 26 novambra lasa teo. Jiolahy miisa dimy nanao saron-tava, niditra an-keriny tao […]

Roa taona namakiana fasana : 5 lahy mpangalatra taolam-paty, tratra

Ravan’ny zandarimaria ny tambajotra mpamaky fasana tao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, ny 26 novambra teo. Roa taona nanaovana asa ratsy ireo tratra ireo. Dimy lahy mpangalatra sady mpivarotra taolam-paty nosamborin’ ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Ampizarantany, ka­o­minina Tsinjoarivo Imanga, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny alarobia 26 novambra teo. Efa-dahy nitondra gony, naneho fihetsika […]

Fahasalaman’ny saina : Hisy tohana maimaimpoana

Hotanterahina anio, ary ha­haritra roa andro, ny fanamarihana ny Androm-pirenena momba ny fahasalaman’ny saina, eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena. Iarahana amin’ny mi­nisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiray ombon’antoka samihafa izany. Miompana amin’ny fisorohana ny tolotra, araka ny namba­ran’ny tomponandraikitry ny sampana misahana ny fahasalaman’ny saina ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. […]

Tetikasa Greenskills: Namoaka tanora teknisianina 25 mianadahy

Ampirisihina ny tovovavy hisafidy ny sehatra teknika, ka telo izy ireo no voaray nanaraka ny fiofanana ho Technicien en système solaire photovoltaïque, ao amin’ny tetikasa Greenskills. Notolorana ny mari-pamantarana ny fahavitan’ny fiofanana izy 17 mianadahy teto Antananarivo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana […]

VAOVAO TAMBATRA

Faharoa maneran-tany mamokatra grafita voajanahary i Madagasikara, aorian’i Chine. Manara­ka antsika eo i Mozambika sy i Brezila. Hita tao anaty angon-kevitra USGS 2024 ireo antontanisa iraisam-pirenena ireo. Mahazo tombony amin’ny fitomboan’ny lanjan’izany eo amin’ity tsena iraisam-pirenena ity i Madagasikara, amin’ny maha tafiditra antsika ao anatin’ny lisitry ny mpisehatra fototra amin’ny […]