Taratra

Vaky trano tetsy Manjakaray : Olona dimy voarohirohy, afaka madiodio

Afaka madiodio toarian’ny fihainoana azy teny amin’ny biraon’ny zandarimariam-pirenena, ny sabotsy 9 aogositra lasa teo, ireo olona dimy voarohirohy tamin’ny vaky trano tetsy Manjakaray. Nijanona teo alohan’ny varavaran’ny tokantrano misy azy ireo ny alika mpitsongo dia nandritra ny fikarohana ny nahavanon-doza. Nilaza ho tsy mahafantatra na inona na inona mahakasika […]

Voatsindrin’ny fiara : Mpitondra bisikileta maty tsy tra-drano tany Antsoatany

Nivadika ny fiarabe mpitatitra iray noho ny hamamoan’ny mpamily nitondra azy tany Antsoatany. Maty voatsindry tao ny mpitondra bisikileta iray. Namoy ny ainy ilay raim-pianakaviana nitondra bisikileta voatsindrin’ny kamiao tao Antsoatany, kaominina Antsirabe, afakomaly. Nisotro zava-mahamamo ny mpamily ka tsy tompon’ny tenany intsony rehefa nitondra io kamiao io hiakatra an’An­tananarivo, […]

FANTINA sy FINTINA

Nilatsaka ny didy ho an’ny mpitarika ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, sy ireo namany dimy hafa. Sazy mihantona herintaona an-tranomaizina, no azon’izy ireo tamin’izany. Tsiahivina fa voasambotra tany Benetsy, Toliara, ny faran’ny volana jolay teo izy enina mirahalahy. Niakatra fitsarana omaly, ary izao voasazy izao. Naneho ny heviny ny antoko MMM […]

Famahana ny olan’ny fananantany : Manao tohivakana ny fametrahana ny BSFI

Maromaro ireo Birao solontenan’ny fananantany iraisana (BSFI) tafapetraka tato anatin’ny herinandro, ho famahan’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny olana amin’io sehatra io. Anisan’izany ny any amin’ny ­distrikan’­ Andi­lamena, ny any Nosy Varika, ny kaominina Andranoma­nelatra sy Vinaninkarena, distrika Antsirabe II. Teo koa ny fametrahana […]

Misondro-boninahitra

  Miakatra ambony dia ambony ny toerana misy an’i Madagasikara raha ny momba ny diplaomasia no resahina. Tsy mahasakana ny fisandratana amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fisian’ireo Malagasy mpilaravinahitra any ivelany, mamendrofendro sy manaratsy ny tanindrazana iombonana. Ireo natao hanirina no mampivandravandra. Ireo heverina ho mirehareha fa Malagasy no mpanaratsy. Tsy […]