Taratra

Fifaninanana saripika : Hasongadina ny maha olona

Nikatona omaly ny fahafaha-mandray anjara amin’ilay fifaninanana saripika mahakasika ny maha olona. Hiditra amin’ny fisafidianana ireo ma­haresy lahatra azy ny mpitsara, manomboka anio hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao. Maro ireo mpaka sary liana tamin’ny fifaninanana, ary tsapa fa ny hanasongadina kokoa ny lohahevitra no nimasoan’izy ireo, na dia eo […]

Fialantsasatra : Miverina kely ny lalao malagasy

Misento tokana ireo raiamandreny… Mahafaly sy mahavelombolo mantsy ny mahita ireo hetsika isan-karazany, mamelona sy manome aina ary mampita amin’ny ankizy indray ireo lalao malagasy. Fotoam-pialantsasatra ho an’ny ankamaroan’ ny mpianatra izao, ka manam-potoana hahafantarana, hianarana ary hitiavana ireny karazan-dalao ireny izy ireo. Manana ny fandaharam-potoanany manome sehatra izany ireo […]

Kolontsaina any Amoron’i Mania : Homarihina ny faha-30 taonan’ny « Volambetohaka »

Niato an-taonany maro. Hiverina kosa amin’ity taona ity ny « Volambetohaka », hetsika ara-kolontsaina mampia­vaka an’Amoron’i Mania. Ho ambohi-pihaonana Ambositra. «Volana» sy «To­haka». Ireo no na­tamba­tra, nanome ny hoe « Volambetohaka ». Ny voalohany manondro fo­toana ary ny faharoa kosa midika hafaliana. Araka izany, fotoam-piravoravoana ny « Volambe­to­haka », izay […]

TSELATRA

Lehilahy iray 50 taona tratra nivarotra zava-mahadomelina “rongony” tany Ambatonomby, kaominina Soalandy, disitrakan’Antananarivo Atsimondrano ny faran’ ny herinandro teo. Nifanehitra tamin’ny zandary na­nantan­teraka ny asany izy io. Nahitana rongony 46 fono­sana teny aminy. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny zava-mahadomelina izao hetsika izao. Tovolahy mahery fihetsika efatra voasambotry ny polisin’ny FIP, […]

Jiolahy mpamerin-keloka: Maty voatifitry ny zandary i Mainty

Lavon’ny zandarimaria miasa ao Ambohimangakely, omaly maraina tamin’ny 1 ora, i Mainty, anisan’ny jiolahy rain­dahiny efa nisazy. Nokarohina nanomboka ny taona 2023 io olon-dratsy io, taorian’ny asa ratsy maro nataony. Tompon’ antoka tamin’ny fandrobana mpitandro filaminana tao An­kadiefajoro Ikianja, io jiolahy io, ny volana septambra 2024. Nanafika tao amin’ny mpia­san’ny […]