Ao anatin’ny dingana farany ny fanomanana ny fankalazana ny 14 oktobra 2026, izay hotanterahina ao Anahidrano, distrikan’ Antsohihy, Faritra Sofia. Nambaran’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany, ny jeneraly Lylyson René de Rolland, izay mpiahy ny Faritra Sofia, niaraka tamin’ireo solombavambahoaka sy mpikambana ao amin’ny governemanta, izany, omaly. […]
Taratra
Kibo mitsara tena
Ny fitadiavana, hono, mahazaka maniraka? Ary ny vola fitady… Amin’izany, misy ny mahavatra manaotao foana amin’ny fandikan-dalàna, finoanoam-poana amin’ny fangalarana zaza manana toe-tena varira, ohatra. Tsy vitan’izany misy mahasahy sy mahavita misoloky amin’ny tambajotran-tserasera na finday. Ny mahavariana sy mahavalalanina, misy hatrany no tratra sy voafitaka ambony ihany amin’izany. Nahoana? […]
Kianja Barea : “120 tapitrisa dôlara no lany nanaovana azy”, hoy ny filohan’ny Antenimiera
Niteny momba ny Kianja Barea Mahamasina, ny talata lasa teo, nandritra ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana ny filohan’ny antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny. Nambarany tamin’izany ny vola nolaniana tamin’ny fanamboarana sy fanavaozana io fotodrafitrasa ho an’ny baolina kitra io. “120 tapitrisa dôlara amerikanina no lany tamin’ny asa fanatanterahana ny Kianja Barea […]
«Coupe des Champions» : Tsy raikitra ny lalao miverina
Araka ny vaovao voaray omaly, tsy ho raikitra ny lalao miverina izay hifanandrinan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny ekipan’ny FC Rouge, izay kasaina hatao ny alahady ho avy izao. Tsiahivina fa ity fihaonana faharoa ity dia tafiditra anatin’ny fanomanan’ireo klioba roa ireo ny fifaninanana afrikanina, « Ligue des Champions Caf » ho an’ny […]
Fifanintsanana Can U23 2027: Kihon-dalana voalohany ho an’ny Barea ny kaomorianina
Hotontosaina any Egypte, ny volana novambra 2027, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika taranja baolina kitra, “Can U23” 2027. Hifandona eo amin’ny dingana voalohany i Madagasikara sy Comores. Notanterahina ny talata lasa teo ny antsapaka hahafantarana izay ho mpifanandrina amin’ny dingana voalohany, fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Can 2027”, ho […]





