Taratra

Taom-pikatrohana 2025: « Mahazo aina hatrany ny tontolon’ny hiragasy »

Hiragasy, kolontsaina anisan’ny mbola mahatazona ireo singa maro maha Malagasy ny Malagasy. Nosokafana, omaly, ny taom-pikatrohana 2025. Tonga maro ny mpijery… Tetsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha no nanatanterahina ny « Hiragasy goavam-be », na­nokafana ny taom-pikatrohana 2025 ho an’ny hiragasy. Anisan’ny nampiavaka ity adin-kiragasy nifanandrinan-dRapaulson Fenoarivo Gara sy Fredy Kely avy any […]

FANTINA sy FINTINA

Niezaka nampitovy tadin-dokanga noho ny disadisa ny vovonana Firaisankina, notronin’ireo depioten’izy ireo avy, tetsy Faravohitra, ny zoma teo. “Ilaina arindra aloha ny ato amintsika. Hapetraka ny hambo-po fa mila mijoro isika manoloana izao mahazo ny vahoaka sy ny firenena izao. Ilaina ny fananana fijery mitovy”, hoy Ravalomanana Marc. Efa any […]

Rabary Paul : “Tapi-dalan-kaleha ny fanoherana”

“Hatramin’izao aloha, tapi-dalan-kaleha ny fanoherana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul, ny amin’ny toerana misy ny mpanohitra amin’izao taorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Tsy mankany amin’izay fandresen’ny fanoherana izay ny fanapahan-kevitry ny vahoaka sy ny vokatra tamin’iny fifidianana kaominaly iny. Ohatra, […]

Ny fiainam-bahoaka aloha…

  Aiza ho aiza izay fanatsarana ny fiainam-bahoaka amin’izao? Hoe tsy misy hadino… Lalina sy maharitra ary mahahenika ny rehetra ny fahantrana. Manampy trotraka ny fahasahiranana noho ny anton-javatra samihafa hoe tsy azo ihodivirana: fidanganan’ny vidim-piainana noho ny hoe krizy maneran-tany. Maneran-tany ary tsy mahafa-bela koa ny fiovaovan’ny toetr’andro: raha […]

Banky iraisam-pirenena : Manohana ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe

Nifarana ny herinandro teo, ny iraka avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Nihaona amin’ireo tomponandraiki-panjakana izy ireo ka anisan’izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, ny iraky ny Banky iraisam-pirenena, ny herinandro teo. Nitarika […]