Manamafy ny diplaomasia ara-toekarena miaraka amin’i chine i Madagasikara. Fantatra io tamin’ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao roa nosoniavina teo amin’ny Sekretariam-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny vondrona indostria sinoa Sinomach, teo anatrehan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, omaly. Fampivoarana ny sehatry ny tsaramaso maitso ny fifanarahana voalohany. Tanjona ny […]
Taratra
Tia raha
“Mangarahara angamba tsy misy ohatr’ireny nataon’ny filohan’ny Repoblika ireny”, hoy ny mpanohana fitondrana. “Horonantsary fizarana fahafiry?”, hoy kosa ny mpanohitra sy ny ankamaroan’ireo olo-malaza mpanao ranty hisintonana olona anaty tambajotra ireny. Tiana ambara etoana ny resaka Ambohimalaza sy ny fanapoizinana, ary ilay adin’ny mpianakavy hafahafa. Ampy ho teboka hamaranana […]
Filoha Rajoelina Andry: “Ilaina ny mifampitsinjo sy mifanohana”
“Ilaina ny mifampitsinjo, mifanohana, mifampizara. Tsy azoko atao ny tonga eto Maroantsetra, ka tsy hitondra hafaliana amin’ny alalan’ny fizarana fanomezana”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fanomezana vatsy tsinjo ho an’ny mponina any Maroantsetra, Faritra Ambatosoa, omaly. Vary amin’ny gony, voamaina, ronono, savony…. Mila porofoina amin’ny fihetsika ny […]
Ankasina : Roa lahy maty voatifitry ny polisy
Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ny jiolahy roa mitam-piadiana. Lavon’ny bala teny Ankasina, ny marainan’ny alakamisy 24 jolay teo izy ireo. Mirongatra ny asan-jiolahy eny amin’ny manodidina an’i 67 Ha sy Ankasina iny tato ho ato. Mampiasa sabatra sy fitaovam-piadiana mihitsy ireo mpanao ratsy. Nanao hetsika manokana hisorohana io tsy fandriampahalemana […]
Alakamisy Anosiala : Trano 11 tafo narodana
An-taonany maro nifandroritana teny anivon’ny fitsarana, noravan’ny vaditany ny trano miisa 11 tafo eny amin’ny kaominina Alakamisy Anosiala, ny marainan’ny alakamisy 24 jolay teo. Nigadona vao maraina ny mpanatanteraka didy ka nitondra mpandrava ny trano tafiditra anatin’ny tany nahazoan’ny voalaza ho tompon-tany rariny. Didim-pitsarana efa nivoaka tamin’ny taona 2006 io […]




