Zazavavy 6 taona hita faty ny alatsinainy ary olona iray hafa omaly tolakandro, tao amin’ny kaominina Ambohimalaza. Tsy nisy voamaso ilany intsony ilay zazavavy. Nofatorana tamin’ny rovitr’akanjo mainty teo am-bodihazo ny vatany, nogejaina tadin-kiraro ny tongotr’i Tanyah kely, ilay zazavavy 6 taona hita faty tao Ambohimalaza, ny alatsinainy 21 jolay […]
Taratra
Tolo-kevitry ny OSC : “Tokony ho Malagasy izay ho kandidà”
Anisan’ireo efa nandefa soso-kevitra ho fanatsarana ny lalàm-pifidianana eny anivon’ny Ceni, araka ny antso nataony, ny Vondron’ny fiarahamonim-pirenena, OSC. “Tokony ho ireo olom-pirenena mizaka ny zom-pirenena malagasy ihany no afaka miatrika ny fifidianana eto amin’ny firenena”, hoy izy ireo. Nasongadin’ireto fiarahamonim-pirenena ireto koa ny tokony hamaritana sy hijerena amin’ny antsipiriany […]
Fivoriamben’ny SADC: Vonona tanteraka i Madagasikara
Nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny kaomity mpikarakara ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Nitarika izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Nilaza ity farany tamin’ny fanambarana izay nataony, tao amin’ny foiben’ny kaomity, ao amin’ny Kianja Barea, fa efa mipetrapetraka avokoa ny fandaminana. “Efa tonga teto ny iraky ny Sadc […]
Fanamafisana ny fahaiza-manao: Hatsaraina ny fomba fiasa amin’ ny fananantany
Nanomboka omaly ny atrikasa fanamafisana fahaiza-manao ho an’ireo tomponandraikitry ny sampandraharahan’ny fananantany. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa izany. Anisan’ny misitraka izao atrikasa sy fampiofanana izao ny avy any amin’ny faritra Bongolava sy Itasy ary Analamanga, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Miompana amin’ny fanatsarana ny […]
Raharaham-pirenena : Fampiasana ara-dalàna ny herisetra ny Fanjakana
Hatramin’izao ary na aiza na aiza, saika ifandroritana mandrakariva ny amin’ny hoe Fanjakana: inona, hanao inona… ? Tsy inona fa antoko politika mitazona ampihimamba amin’ny fampiasana ara-dalàna ny herisetra ny Fanjakana. Andrana famakafakana… Manondro fikambanana iray manana fahefana amin’ny mponina mitoetra ao amin’ny faritany iray voafaritra ny Fanjakana ara-politika. Misongadina […]




