Taratra

Sady madio no salama

  Raikitra izy ity! Afaka efatra herinandro dia higadona ny fihaonambe an-tampon’ny Sadc, izay hampiantranoin’i Madagasikara. Efa miha tomombana tsikelikely ny fanomanana. Anatin’ny fametrapetrahana faramparany ny komity mpikarakara. Ny mpiara-miombon’antoka raheto manao ranolava. Tsy misy diso anjara amin’ny fandraisana andraikitra ny manampahefana isan-tsokajiny. Manoloana izany indrindra, hiverina indray, manomboka izao, […]

Harena ambanin’ny tany : Liana amin’ny sehatry ny solika sy ny gazy i Indonezia

Vonona hampiasa vola eto Madagasikara ny mpandraharaha indoneziana. Andrasana ny fisokafan’ny fanomezana fahazoan-dalana vaovao. Anisan’ny noraisin’ny mi­nisitry ny Harena an-kibon’ny tany (MMRS), Rakotomalala Herindrainy Olivier, teny amin’ny toeram-piasany Ampandrianomby, ny alatsinainy teo, ny delegasionina indoneziana. Nitarika azy ireo tamin’ity fitsidihana amin’ny fomba fanajana ity, ny filoha lefitry ny Antenimieram­pirenena indoneziana […]

TSELATRA

Nanararaotra jiro tapaka, moto 125 cc lasan’ny jiolahy tao amin’ny tokantrano iray teny Amboditsiry, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 23 jolay teo. Nopitsohin’ireo tsy valahara ny hidin’ny vavahady. Mpangalatra voasambotra taorian’ny nahitana azy tao anatin’ny horonantsary, teny Soamanandrariny, omaly. Nobatain’io lehilahy io ny bitro lehibe an’olona saingy tsy nahatsikaritra […]

Ankadikely Ilafy : Jiolahy roa lahy maty voatifitra

Lavon’ny tifitra tao anatin’ny haizina ny roa lahy mpikambana anatin’ny tambajotran-jiolahy, teny Ambonisoa, kaominina Ankadikely Ilafy, omaly maraina. Naharay angom-baovao ny zandary fa misy andian-jiolahy mikononkonona hanao fanafihana teny an-toerana. Nanao fisafoana alina ny mpitandro filaminana ka nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Nitondra fitaovam-piadiana ireo jiolahy ka nitifitra avy hatrany rehefa nasain’ny […]