Rehefa ao anatin’ny hatsiaka tahaka izao, hitan’ny olona tena mandeha ny lasopy, toy ny silamangany. Mifanohitra amin’izany anefa ny avalin’ireo mpivarotra izany. Anisan’ny ankafizin’ny olona amin’ny resaka lasopy ny silamangany. Araka ny fanadihadiana natao teny amin’ireo mpivarotra eny Analakely, omaly, hita ho mandeha tokoa ny silamangany, saingy somary sahirana ireo […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Tafakatra 5t/ha ny voka-bary azon’ny tantsaha nampihatra ny teknika Papriz. Nampidi-bola 300 000 Ar ny velaran-tany 10 ara, raha 80 000 Ar ho an’ireo nampihatra ny fambolena nentin-drazana. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny CFFAMMA sy ny Fofifa. Miisa 153 ny teknisianin’ny minisitera Minae nahazo fiofanana hampiofana ho an’ny tantsaha 3 966. Atao any […]
Tetikasa Kopakelatra : Aina vaovao ho an’ny tavoahangy plastika
Manana ny andraikitra raisin’ny orinasa eo amin’ny sosialy ny orinasa Star, ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena sy indostrialy azy. Napetraka ny tetikasa Kopakelatra mifantoka amin’ny fitsinjovana ny tontolo iainana. Angonina ny tavoahangy plastika efa niasa, tsy anavahana marika, avadika ho vokatra vaovao azo ampiasaina indray amin’ny fiainana andavanandro. Miisa 133 […]
Jirama : Mitohy ny dinika amin’ny mpiasa
Nisy ny fihaonana teny amin’ny Lapan’Ambohitsirohitra, omaly, mahakasika ny raharaha Jirama. Nanatanteraka izany, andaniny, ny solontena avy amin’ny fanjakana, nahitana ny ao amin’ny Holafitry ny prezidansa (ny talen’ny Kabinetra sy ny Sekretera jeneraly), ny avy amin’ny minisitera voakasika, minisiteran’ny Fitsarana (Minjus), ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Tahirimbolam-panjakana, ny […]
Taolagnaro-Vangaindrano: Ho vita tanteraka amin’ny 2027 ny lalam-pirenena, RN12A
Mandroso ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena, RN12A, mampitohy an’i Taolagnaro sy Vangaindrano. Misy koa ny fanamboarana tetezana hanoloana ny baka fiampitana. Anisan’ny fotodrafitrasa goavana hatao koa ny fampifandraisana mivantana an’i Taolagnaro sy i Vangaindrano. Hatao godirao tanteraka ny lalana, izay mizara ampahany efatra, amin’ny ankapobeny, ny asa. Voalohany, ny Taolagnaro-Ebakika, […]




