Hotohanan’ny fanjakana amin’ny fiatrehana ireo fifanintsanana iraisam-pirenena maro, ny atleta malagasy mpilalao ny taranja Karate, Ping pong, lomano, ary ny fibatana fonjamby. Tsy mbola tazana ny an’ireo lalao iraisana. Notontosaina ny alarobia teo, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny filankevitry ny minisitra, izay notarihan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Tapaka tamin’izany fa hotohanana […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Nesorina amin’ny toerany ny tale misahana ireo orinasa lehibe eo anivon’ny fitaleavan’ny hetra, Razanadrakoto Irma. Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, izany. Tsy fantatra na misy ifandraisany na tsia amin’ny momba ilay TVA, zana-bola 20%, izao fanapahan-kevitra izao. Nokianin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty […]
Ravololomanana Lalatiana : “Ahina ho misy kolikoly ny fitantanana ny CUA”
“Mandeha be ny resaka fa misy kolikoly eo anivon’ny fitantanana ny tanàna. Tale no miresaka an’izany. Roa volana lasa izay, misy olom-boafidy hoe tratra ambodiomby manao kolikoly. Tsy misy fanadihadiana momba an’izany”. Fanehoan-kevitry ny mpanolotsaina monisipaly eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), Ravololomanana Lalatiana, teny Analakely, omaly, ny amin’ny fitantanana […]
Adidy masina
Manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fametrahana tantara eto amin’ny Firenena ny fitondram-panjakana, ankehitriny. Mitohy ny fametrahana ny fotodrafitrasa isan-karazany manerana ny lafivalon’ny Nosy. Tsy misy adino tokoa ny isam-paritra fa na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra dia samy mahazo ny anjarany. Mitohy rahateo ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fijerena […]
Fihaonana an-tampony eto Madagasikara : Mikendry ny hampihena ny fahantrana ny Sadc
Hotanterahina eto Antananarivo, manomboka ny 3 aogositra hatramin’ny 18 aogositra, ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Mifototra amin’ny sehatra maromaro ny ho votoatin’izany fivoriana izany. Eo ny fikendrena ny hampiroboroboana ny fitomboana ara-toekarena maharitra sy ara-drariny. Ny fampandrosoana eo amin’ny lafiny sosialy sy toekarena aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika. Tafiditra ao anatin’izany […]




