Taratra

TSELATRA

Taksiborosy iray niharan’ny firehetana tao Brieville, 2 km tsy hidirana an’i Morarano Chrome, omaly tamin’ny 11 ora. Nitrangana olana teknika tampoka io fiara io. Niezaka nifehy ny afo ireo nanatri-maso saingy potika tanteraka ilay fiara. Tsy nisy naratra na aina nafoy. Niakatra fampanoavana omaly, ny pasitera iray nanaparitaka vaovao tsy voamarina […]

Saropody – Tanjombato: Efa-dahy nitam-basy nandroba 1 tapitrisa Ar

Niditra an-keriny tao amin’ ny tokantrano iray manamorona ny lalamby teny Saropody, Tanjombato, ny alin’ny talata 15 jolay teo, tamin’ny 11 ora sy sasany ireo olon-dratsy. Ni­lanja fitaovam-piadiana, tsy nisy nisaron-tava izy ireo. Ni­taky ny vola tao an-trano sy nangorona ny entana sarobidy toy ny fahitalavitra. Niezaka nanda ny tompon-trano […]

Arivonimamo : Olona nodorana hita faty

Ny sisan’akanjo tsy may toy ny « Tee-shirt », hany sisa namantaran’ny fianakaviany, ny raim-pianakaviana hita faty tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina Arivonimamo, omaly. Mpiandry omby nandalo vao maraina no nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa tao anaty lava-pako. Nampandre avy hatrany ny lehiben’ny fokontany izy. Nojerena, kinanjo fatin’olona efa simban’ny afo ity nisy nanary […]

Fakana an-keriny teny Ankadikely-Ilafy: Adjidà misotro ronono sy Serzà sefo voasambotra

Tafika miisa roa, niampy vehivavy iray hafa, niara-voasambotra momba ny fakana an-keriny tao Ankadikely, distrika Avaradrano, ny 15 jolay teo. Notakin’ireto voasambotra vola mitetina 10 tapitrisa Ar ny lasibatra. Nitonona ho mpiasan’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) ireo olon-dratsy naka an-keriny vehivavy iray teny amin’ny trano fonenany eny Anka­dikely-Ilafy, ny […]

Elgeco Plus: Mety haka mpilalao avy any ivelany

Manana tanjona ny handeha lavitra amin’ny fifaninanana afrikanina, “Ligue des Cham­pions Caf” (LDC Caf), ny Elge­co Plus de Madagascar. Araka ny nambaran’ny loha­ranom-baovao iray eo anivon’ity klioba ity, mety haka mpilalao avy any ivelany indray ity klioba ity mba ho fanamafi­sana ny ekipan’izy ireo amin’ ity fifanintsanana afrikanina ity. Marihina […]