Mahoraka sy mandeha indray aloha izao ny famonoana ankolaka ny mpitondra fanjakana, indrindra fa ny manao ny tsara sy ny mandeha mahitsy araka ny tokony ho izy. Potehina sy atao tsinontsinona ny ezaka sy asa vita ary ny vokatra azo rehefa tsy miditra amin’ny fomba maloto mahazatra ny ankamaroany. […]
Taratra
Fanomanana ny fihaonana an-tampony : Tafapetraka ny foibe fandrindrana ny fivorian’ny Sadc
Tafajoro tamin’ny fomba ofisialy eny amin’ny kianja Barea, Mahamasina, omaly, ny Ivontoeram-pibaikoina (Centre de commandement opérationnel – CCO) ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny Sadc. Hiainga amin’izany avokoa ny fandrindrana ity fivoriana iraisam-pirenena horaisina eto Madagasikara ity. Anisan’ny mpikambana ao anatin’izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Eo koa ny […]
TSELATRA
Lehilahy nitondra moto maty tsy tra-drano teny Antanimora, ny alin’ny alatsinainy 14 jolay teo. Vaofokan’ny fiara tampoka izy ka nandositra ny fiara. Nitsirara tamin’ny tany sady very ra be loatra ilay mpitondra moto ka namoy ny ainy. Ben’ny Tanàna iray nandratra ny namany tamin’ny tavohangy, tao amin’ny kaominina Mahafasa, distrikan’i […]
Ahina ho nangala-bola: Ankizivavy 13 taona tadiavin’ny ray aman-dreniny
Ankizivavy 13 taona, monina ao amin’ny fokontany Andramasina, kaominina Ambatomanjaka, distrikan’i Miarinarivo, karohin’ny ray aman-dreniny nanomboka ny 13 jolay teo. Nametraka fitarainana teny anivon’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Miarinarivo ny rain’io zaza io, ny alahady 13 jolay teo. Nipetraka tamin’ny olona izay fianakavian’izy ireo ihany, tao Miarinarivo ny zanany vavy, […]
Nifanehatra tamin’ny polisy : Mpamaky trano naiditra am-ponja
Nifanena tamin’ny polisy eo anivon’ny CSP 3 nanao fisafoana, mpamaky trano iray voasambotra teny Tsarahonenana, ny zoma 11 jolay teo, tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro. Nampiahiahy ny fihetsik’io lehilahy io satria niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray izy. Nandrasan’ny polisy kendry tohana. Nitondra vilany miisa telo niampy radio iray […]




