Taratra

Fifaninanana « Tafan-gilita » : Mpitendry 40 no hiatrika ireo mpitsara manaraka

183 no nandray anjara, 65 no tafakatra tamin’ny fijerena ireo « videos » nalefan’ny mpifaninana. Niatrika nivantana ireo mpitsara, nandritra ny dingana voalohany izy ireo, ny sabotsy teo. Ny hira izay na­taon’ireo mpifaninana tany amin’ny « vidéos » na nahalany azy ihany no naverina nandritra izany. Taorian’ny fise­drana ny sehatra nataon’ny mpifaninana rehetra, nivoaka […]

Randja -100 taona : Hisy fampirantiana ny sanganasany

Mitohy ny fampahafantarana. « Ilay poeta marolafy » no lohahevitry ny fampirantiana, izay hotontosaina etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy, manomboka rahampitso 17 jolay, amin’ny 10 ora sy sasany maraina. Fampahalalana bebe kokoa hatrany an’i Randja Zanamihoatra, indrindra ireo asa sorany izany. Misy ireo nivoaka an-gazety tamin’izany fotoana, misy ireo voarakitra ho boky, […]

Fivelarana maha olona : Matahotra mampiasa talenta ny Malagasy ?

Mampiaiky maneran-tany, « manan-talenta ny Malagasy ». Tsy tokana fa maro saika isan-tsehatra. Samy ahitana io talenta io avokoa. Iray amin’ireny sady anisan’ny goavana indrindra ny zavakanto sy ny kolontsaina. Harena ny fahasamiha­fana. Hita eo amin’ny fananana talenta izany. Manan-talenta ny Malagasy. Amin’ny ampahany ihany, anefa, ny ahatazanana azy io. Rehefa eny […]

FANTINA sy FINTINA

Nilaza ny mbola haneho hevitra saingy mbola nisafidy ny hangina aloha izao ny minisitra teo aloha, Pierre Holder, raha ny nambarany teny Ivandry. Na izany aza, nanteriny fa anisan’ireo niara-nivory tamin’ny filoha Rajoelina Andry, teny Ivato, momba ny “Iles Eparses” izy ny taona 2019. “Mbola mpamakafaka ny raharaham-pirenena hatrany aho […]

Rakotomanana Richardson : « Manimba firenena ny adihevitra tafahoatra »

“Manimba firenena ny adihevitra tafahoatra”, hoy ny filohan’ny Fiombonan’ny firaisamonina sivily ho amin’ny fandrosoan’ny Malagasy na ny Coalition de la société civile pour le progrès des Malagasy (CSCPM), Rakotomanana Ri­chardson, teny Antanina­re­nina, omaly, manoloana ny tsy fiatoan’ny adihevitra mom­ba ny fanapoizinana amin’ny sakafo tato ho ato. Toetsika Malagasy ny fitiavana […]