Taratra

Efa-bolana nifampitadiavana: Hita ny fatin’i Mahandry, nofongarina omaly ny razana

Izay vao hita! Razana sisa no nofongarin’ny fianakavian’i Mahandry, omaly. Tsy hita ny volana marsa izy, raha nikasa ny handeha hividy vary tany Soavinandriana. Voasambotry ny polisy ireo ahina ho nahavanon-doza. Tsy hita popoka nandritra ny efa-bolana sy tapany i Mahandry. Taolam-balo sisa no hany tafaverina tany amin’ny fianakaviany, omaly. […]

Tsy ampy ny tolotra sy ny fitaovana : Tsy mitsaha-mitombo ny fihanaky ny VIH/Sida eto Madagasikara

Miakatra hatrany ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina eto Mada­gasikara. Olana eo amin’ny tsy fahampian’ny fitaovana ahafahana mitily sy ny fandraisana an-tanana ny marary no antony. Tsy mitsaha-mitombo ny fihanaky ny tsimokaretina VIH/Sida eto Mada­gasikara, raha ny fanadihadiana nataon’ny tetikasa Sycavi, nandritra ny fanolorana ny valin’ny fanadihadiana tetsy Antanimena, ny […]

Kabeson’ny Ampanjaka Toera: Ho tonga amin’ny volana aogositra

Nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, omaly, fa feno ny fepetra ary ara-dalàna ny dingana rehetra hirosoana amin’ny famerenana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. ”Amin’ny volana aogositra no hotanterahina izany. Efa misy ny fifandraisana amin’ireo fianakaviana ary miara-misalahy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny pitsopitsony momba ny kolontsaina amin’ny fanantanterahana […]

MEETFP Atsimo Atsinanana : Tsy eken’ny sendika ny talem-paritra vaovao

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikan’ny fampianarana teknika sy fanofanana arakasa (ST MEETFP), Atsimo Atsinanana, ny herinandro teo. Nahitsy izy ireo manoloana ny fanendrena tomponandraikitra eo anivon’ny minisi­tera. Tsipahin’izy ireo ny fanendrena ny talem-paritra vaovao any Atsimo Atsinanana. “Takinay ny hanafoanana anatin’ny fotoana fohy ny fanendrena azy satria tsy mahafeno […]

Lasa hatramin’ny papay : Mirongatra ny asan-jiolahy ao Toamasina

Tsy mifidy hangalarina intsony… ! Koveta, siny, bidao anatazana ranon’olona na papay maniry eo an-tokotany aza lasan-dry zalahy. Izany no nitranga tao amin’ny fokontany maromaro ao Toamasina, omaly. Tsy laitra iainana intsony ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny asan-jiolahy mitam-piadiana raha tsy iresaka intsony ny fanendahana sy halatra isaky ny alina. […]