Taratra

Mila mahazaka !  

Maro raha hita tokoa eto Madagasikara ! Tena hoe tsy hay intsony izay asiana ny tongotra na hiankavia na hiankavanana. Raha mianatsimo mahazo kiana, mizotra miankavanana voarabiraby, raha mianandrefana toa latsalatsaina, raha miantsinanana moa dia voaompa mihitsy. Sarotra tokoa ny miaina amin’ny zava-misy, ankehitriny. Raha kelikely vovokaina aloha dia tapitra andro […]

Ambasadaoro Frantsay, Arnaud Guillois: “Dinihina miaraka anaty fitoniana ny “Iles Eparses”

Nomarihina omaly, tetsy amin’ny trano fonenan’ny masoivoho etsy Ivandry ny fetim-pirenena Frantsay. Anisan’ny nambaran’ny ambasadaoro, Arnaud Guillois, ny momba ireo Nosy malagasy manodidina. Notsiahiviny tamin’ny lahateniny ny dinika teo amin’ny vaomieran’ny firenena roa tonta momba ireo Nosy Malagasy, ny 30 jona teo. “Efa namoaka ny fanambarana iombonana ireo mpivory ka […]

TSELATRA

Lahiantitra 77 taona voasoloky ka tonga tampoka tany Foulpointe, omaly. Niainga avy eto Antananarivo io raim-pianakaviana io rehefa naharay hafatra miafina fa nahazo lelavola tamin’ny alalan’ny fisarihana. Very ary tsy nisy trano natoriana ilay voasoloky rehefa tonga tany Foulpointe izay toerana voalaza hangalana ny loka. Jiolahy mpamaky trano voasambotry ny […]

Ampanefy: Jiolahy miisa 10 nandroba tokantrano iray

Ahitana fanafihana mitam-piadiana matetika eny amin’ny distrikan’Antsimondrano tato ho ato. Nidiran’ny jiolahy an-keriny, manodidina ny 10, ny tokantranon’ny vehivavy iray tetsy Malaho, kaominina am­banivohitra Ampanefy, ny alin’ny sabotsy 12 jolay 2025, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina lasa teo. Tsy nisy nisaron-tava ireo olon-dratsy, mbola nirongo fitaovam-piadiana toy […]

Nivadi-pitokisana : Mpanampy nandroba 2 tapitrisa Ar

Mpanampy nangala-bola voasambotry ny zandary tao Ambavahaditokana, distrikan’Atsimondrano, afakomaly. Novakian’ny vehivavy mpanampy an-trano ny efitranon’ny mpampiasa azy ka norobainy ny vola mitetina 2 tapitrisa Ar. Nametrahan’ny tompon-trano fitokisana io vehivavy io. Mivelona amin’ny alalan’ny fanampiana amin’ny fanaovana ny raharaha isan-karazany ao amin’ny mpampiasa azy io mpanampy io. Fantany avokoa, araka […]