Taratra

Asan-dahalo: Omby 200 mahery very tany amin’ny distrikan’Antsalova

Nitrangana fanafihana sy halatra omby tany amin’ny fokontany Akaja, kaominina ambanivohitra Antsiandro, disitrikan’­ Antsalova, Bemaraha Atsinanana, afakomaly tamin’ny 11 ora atoandro. Lasan’ny dahalo, nandritra izany, ny omby manodidina ny 200 isa, izay ombin’ny mpikambana ao amin’ny Mada omby. Niainga ny alahady lasa teo avy any Antsalova, hihazo ny tsenan’i Tsiroanomandidy […]

Nampiakatra maoteran-drano simba: Raim-pianakaviana maty sempotra tao anaty vovo

Namoy ny ainy tao anaty lavadrano, tany amin’ny fokontany Antanimasaja, afakomaly, ny raim-pianakaviana iray (28 taona), tamin’ny 1 ora sy sasany. Sempotra noho ny fisiana entona ratsy tao anaty lavaka izy. Nikarama nampiakatra maoteran-drano efa simba tao anaty vovo, tany amin’ny fokontany Anta­nimasaja, vakim-paritra faharoa Mahajanga, izy io, izao nindaosin’ny […]

Rugby – “XXL Top 12” : Hanohitra ny FTM ny 3FB Fahasalamana

Hitohy amin’ny alahady 2 novambra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “XXL Top 12”, taranja rugby, rehefa niato nandritra ny telo herinandro. Fihaonana miisa telo no voalahatra amin’izany. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny FTM Manja­ka­ray (Dakar) sy ny 3FB Fahasalamana. Raha ny fifanandrinana teo amin’ny roa […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium By-Pass, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny sokajy zandriny U15. Fihaonana karakarain’ny Associations des jeunes entraineurs actifs (AJEA). Ireo klioba manana ny taratasy fanamarinana fijoroana sy ara-dalàna ihany no afaka handray anjara amin’izany. Raha ny […]

Barea Chan : Nilamina ny resaka « Prize Money »

Tsy niandry an’ilay 72 ora akory, nandray andraikitra ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly. Araka ny tapaka tao anatin’ny fivoriana nikaton-trano, izay nataon’ny Barea Chan sy ny mpitantana ny FMF, tetsy Isoraka, afakomaly, nanapa-kevitra ny Federasionina, izay tarihin’ny filohany, Randriamanampisoa Alfred, fa hanefa ilay vola ambininy an’ny […]